• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Tr
Image
Vaovao

Fandrindram-piterahana : Mitombo isa ireo tanora mbola tsy manambady kanefa mampiasa fanabeazana aizana

15/05/2024 21:32 © Moov

Araka ny fanambarana avy amin’ny toeram-pitsaboana Fianakaviana Sambatra (FISA) dia mitombo hatrany ireo tanora mbola tsy manambady no mampiasa ny fanabeazana aizana raha oharina amin’ny tamin’ny taona 2023. Ireo vehivavy latsaky ny 25 taona no voasokajy ao anatin’izany.

Manantanteraka ny herinandron’ny Fianakaviana Sambatra ity toeram-pitsaboana iray ity, mandritra ity herinandro ity ka nandritra izany no nanentanana, indrindra ny tanora amin’ny tokony hanatonana mpitsabo mialoha.

Manatona toeram-pitsaboana

Manana ny safidiny avokoa ny rehetra, na lahy na vavy, amin’ny fandrindrana fiainam-pianakaviana. Tafiditra ao anatin’izany ihany koa ny tanora mbola tsy manambady. Ny fanatonana toeram-pitsaboana ihany no vahaolana hanampy sy hiaro ny tsirairay amin’ny fampiasana ireny fanabeazana aizana ireny. « Rehefa manatona toeram-pitsaboana dia ny eny ihany no afaka mamaritra hoe ilay karazany toy ny ahoana no mety amin’ny vehivavy iray. Indrindra ireo izay mbola tsy niteraka ka mba tsy hisian’ny fiantraikany ratsy amin’ny vatana rehefa avy eo », hoy ity mpitsabo iray. Mila fijerevana ny toe-batana, ny tanjany, sy ny fahasalaman’ny tsirairay no hahafahana misafidy ireo karazany. Manolotra ireo karazany rehetra ny toeram-pitsaboana toa ny FISA saingy tsy maintsy fantarina ny momba ilay olona.

Ny tsindrona sy ny fanafody atelina

Maro amin’ireo vehivavy malagasy no misafidy ny tsindrona amin’ireo safidy isan-karazany amin’ny fanabeazana aizana. « Ny tsindrona no mifanaraka indrindra amin’ny toe-batan’ny vehivavy malagasy amin’ny ankapobeny. Ankoatra ny tsindrona anefa dia ny fanafody hanina ihany koa no safidin’ny vehivavy », hoy hatrany ity mpitsabo ity nanazava. Izany rehetra izany anefa dia tsy voatery hiety amin’ny vehivavy rehetra ka izany indrindra no maha-zava-dehibe ilay voalaza etsy ambony, amin’ny fanatonana mpitsabo na toeram-pitsaboana. Anisan’ny efa ahitana izany ihany koa ny eny anivon’ireo Centre de Santé de Base (CSB) manerana ny Nosy.
Mandritra ity herinandron’ny FISA ity moa dia ahitana ireny toeram-pitsaboana mitety vohitra ireny manerana ny Nosy. Manana fahalalahana manatona ireny ny vehivavy rehetra mandritra izany hetsika izany.

Lire la suite

Articles Similaires