• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Polisim-Pirenena Malagasy
Image
Vaovao

Fivarotana horonantsary vetaveta an'habaka : Roa lahy nidoboka am-ponja

14/05/2024 21:07 © Moov

Zary mahazatra ny mahita ireo "publications" mikasika ireo horonantsary mamoafady izay misy tovovavy sy vehivavy Malagasy. Roa lahy no misazy any am-ponja noho ny fanaparitahana sy fivarotana horonantsary mamoafady izay mampiseho zaza tsy ampy taona.

Nampiasain'izy roalahy ireto ny "Facebook" ivarotana ireo horonantsary mamoafady ananany. Ireo lehilahy moa no tena sarihany ka asainy miditra "MP" sy mandoha "sarany kely". Ny tena loza nefa dia horonatsary vetaveta misy zaza tsy ampy taona no naparitaka tamin'izany.
Nametrahana vela-pandrika ireto mpisera an'habaka ka tra-tehaka tao amin'ny trano fonenany tetsy Tanjombato sy Amboditsiry ny 22 aprily lasa teo . Rehefa nosavaina ny findain'izy roa lahy dia mbola nahitana sary sy horonantsary mamoafady.
Natolotra ny fampanoavana ity raharaha ity ka naiditra am-ponja eny Antanimora izy mirahalahy. Tsara ny mampahatsiahy fa voararan'ny lalàna ny mamokatra, manaparitaka sy mivarotra ireny karazana horonantsary mamoafady mampiseho zaza tsy ampy taona ireny. Tsy maintsy fongorana ireo mpisehatra amin'izany satria mety hampirongatra ny fanolanana ankizy, adolantsento sy tanora tsy ampy taona indray izany.

Tambazotra

Heverina fa tambazotra mihitsy ireto mpamokatra sy mpivarotra horonantsary vetaveta ireto. Maromaro ireo mpiray tsikombakomba satria misy ireo mpilalao, ireo mpaka sary sy ireo mpikirakira ny horonantsary. Ireo horonantsary misy zaza tsy ampy taona hatreto no tena mahasarotiny ireo tompon'andraikitra isan-tsokajiny. Ao ireo mivarotra ny "vidéo" amin'ny Facebook, raha misy kosa ireo mitady vahiny mihitsy, amin'ny alalan'ny aterineto.
Mbola sarotra ny fanabeazana ara-pananahana raha ny eto Madagasikara manokana. Marobe mantsy ireo mpijery horonantsary mamoafady no tsy mahafehy tena ka tsy misaina lavitra intsony. Misy ireo mitady vehivavy ampiharana filan-dratsy, ka mety hiafara amin'ny fanolanana izany. Tsy vitsy nefa ireo tovolahy, lehilahy na raim-pianakaviana mihitsy aza nidoboka am-ponja noho ny raharaha fanolanana, indrindra raha tsy ampy taona ilay niharan'ny herisetra ara-nofo.

Lire la suite

Articles Similaires