• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Akama
Image
Vaovao

Fampianarana : Nampiditra ny « inclusion inverse » ao aminy ny ao amin’ny Akanin’ny Marenina

14/05/2024 16:53 © Moov

Raha ny mahazatra hatramin’izay dia ny « inclusion » na fampiatiana tsotra, izany hoe ny olona manana olana ara-batana no hampidirina mianatra eny anivon’ny sekolin’ny be sy ny maro. Nisafidy ny mifanohitra amin’izany amin’izay ny avy ao amin’ny Akanin’ny Marenina (AKAMA) amin’izao fotoana izao. Ny « inclusion inverse » indray no hampihariny amin’izao fotoana izao.

« Inclusion inverse »

Hampiarahana an-dakilasy ireo ankizy avy any amin’ny sekolin’ny be sy ny maro sy ireo ankizy manana olana amin’ny fihainoana. Paik’ady vaovao hahafahana mampiroborobo ny fampiatiana hatrany ity fomba ity. Hampidirina miara-mianatra eny amin’ny toeram-pianaran’ireo ankizy manana olana amin’ny fihainoana indray ireo ankizy izay manana fahefana hampiasa tsara izany fitaovana izany. Amin’izao fotoana izao dia efa miisa dimy amby telopolo (35) ireo ankizy no miara-mianatra amin’ireo zaza marenina ao amin’ity toeram-pampianarana ity. « Ny tanjona moa dia tsy miova fa ny fampianarana ny ankizy hiara-hiana amin’ny fahasamihafana hatrany », hoy Ravelosaotra Vitasoa, tompon’andraikitry ny fampiofanana ao amin’ny AKAMA, ity toerana ity izay hita eny 67Ha ity. Araka izany ity paik’ady ity dia mba hahafahana manamora indray ny fidiran’ny zava-baovao eny amin’ny tontolo tsy hitan’izy ireo, mba ho sitrahiny.

Manamafy ny fifandraisana

Nanamafy hatrany ity tompon’andraikitry ny Akama ity ny amin’ny zava-misy marina eny anivon’ny fiaraha-monina eny. « Hita fa ny marenina no tena voahilika tokoa eny amin’ny fiaraha-monina ny amin’ny resaka fifandraisana. Mbola tsikaritra fa vitsy ny ahitan’ny marenina vaovao na ahazoan’ny ireny vaovao satria tsy nisy niteny taminy. Afaka manamafy ny fiandraiasany amin’ny zava-misy araka izany ny fitombon’ny ankizy tsy manana olana miara-miaina aminy sy mitondra zava-baovao ho azy matetika », hoy ity mpiandraikitra ity. Mba hahay hiara-hiaina miaraka amin’ny ankizy marenina ary any aoriana any dia hanorina fiaraha-monina mampiaty izy, izay no tanjona amin’ny fandraisana ireo ankizy ireo. Etsy andaniny dia tsy misy fiovana ihany koa ny rafi-pampianarana amin’ireo ankizy rehetra ireo fa mifanaraka hatrany amin’ireo napetraky ny fitondraml-panjakana.

Lire la suite

Articles Similaires