• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Menaka maha be fitombenana : Voasambotra ireo mpisoloky

14/05/2024 12:08 © Midi Madagasikara

Lafarinina nafangaro tamin’ny « dentifrice » ary navadika ho « crème » ity nolazaina fa « menaka mampitombo fitombenana sy manala tavy ity ». Maro ireo lasibatra saingy sendra ny nahay azy ireto mpisoloky ka voasambotra soa aman-tsara rehefa nanaovana vela-pandrika.

Tranga niseho tao an-drenivohitry ny faritra Atsinanana tao, ny faran’ny herinandro teo. Raha ny fampitam-baovao avy amin’ny namana avy any an-toerana dia tsy nisy afa-tsy tamin’ny tambajotra sosialy na ilay hoe « vente en ligne » ihany no hivarotan’ireto mpisoloky an’ity « menaka hafa kely » ity. Karazana « crème » miisa telo izy ireo, izay nataon’izy ireo tao anaty « bocal » avy nisy « mayonnaise » ary hamidin’izy ireo amin’ny vidiny lafolafo ihany. Manodidina ny roa alina sy telo hetsy ariary teo ho eo izay, araka ny vaovao azo hatrany. Raha ny dokam-barotr’ireo mpisoloky dia ny hoe vetivety dia ho tonga amin’ny tanjona iriana izay mampiasa an’ilay izy, izany hoe tsy ela dia mety hidongodongona tsara ny fitombenana. Mazava ho azy, maro ireo vehivavy no roboka.

Anisan’izany ireto vehivavy ireto, izay namaly ny ranty nalefan’ireo mpisoloky. Novidiana ity « crème mahagaga» kanjo nony tonga tany an-trano, akory ny hagagan’izy ireo rehefa nojerena tsara izany. Tsy nisy afa-tsy lafarinina navadika ho « pate » ary nafangaro tamin’ny « dentifrice » fotsiny ihany izy io fa tsy nisy zavatra hafa akory. Nahatsiaro tena ho voambaka ireto farany ary nametraka fitarainana teny anivon’ny mpitandro filaminana satria fitaka sy fisolokiana bevava izao nahazo azy ireo izao. Ny vola rahateo efa lasan’ireo mpivarotra. Tamin’io fotoana io ihany dia nihetsika ireo mpitandro filaminana ary napetraka ny vela-pandrika isan-karazany. Teto dia mpijoko voajoko indray ireo mpisoloky satria dia tafalatsaka soa aman-tsara tao anatin’ny haraton’ireo mpitandro filaminana. Teny amin’iny faritra Analakininina iny no nisamborana azy ireo, hoy hatrany ny vaovao. Efa nentina nanaovana fanadihadiana any moa ireto farany.

Amin’izao tokoa dia mitoboka etsy sy eroa, na mivantana na « vente en ligne » irony karazana menaka sy « crème » isan-karazany tsy fanta-pototra irony, izay voalaza fa « manala tavy », « mahatsara tarehy », « manabe fitombenana » na « mampitombo filahiana », « manasitrana aretina rehetra na inona na inona » sy ny maro samihafa.

Tokony ho mailo foana ny rehetra eo anatrehan’izy ireo, satria tsy fantatra intsony izay ao ambadika, fisolokiana sa fanapoizinana. Mazava ho azy mantsy fa tsy misy mahafantatra izay taharo ao anatin’izany menaka izany, izay mety hitera-doza indray !

Lire la suite

Articles Similaires