• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Cua
Image
Vaovao

Antananarivo : Mitohy ny asa fanamboarana ny lalana rehetra eto an-drenivohitra

14/05/2024 11:57 © Moov

Mitohy hatrany ny asa fanamboaran-dalana tanterahan'ny avy eo anivon'ny Kaominina Antananarivo renivohitra, araka ny toromarika nomen'ny Filohan'ny Delegasionina manokan'ny tanànan'Antananarivo (PDS), Andriamatoa Richard Ramanambitana. Mandroso ny asa ary tsy maintsy ho vitaina avokoa ireo lalana rehetra ahitana fahasimbana.

Mampitaraina ireo mpampiasa lalana

Manimba ny fiara, miteraka fitohanan’ny fifamoivoizana ary indrindra miteraka olana maro be mifandraika amin’izany ny faharatsian’ny lalana eto andrenivohitra. Efa miezaka manarina izany tsikelikely ny avy ao amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra raha ny fanambarana. Raha ny fampitam-baovao dia efa vita tanteraka amin’izao fotoana izao ny lalana eo amin'ny sampanan'ny Marais Masay izay nisy fahasimbana teo aloha ary isan'ny nampitaraina ireo mampiasa lalana. Anisan’ny efa novitaina ihany koa ny ny lalana manoloana ny Lapan'ny Antenimierandoholona eo Anosikely izay isan'ny nampitaraina ny maro ka natao lahara-pahamehana ny fanarenana azy. Mbola tsy mifarana hatreo anefa izany asa fanamboaran-dalana izany fa tokony ho vitaina avokoa ireo rehetra izay mampitaraina ny mponina andrenivohitra. Anisan’izany ohatra ny eo Ankorahotra, ny eo Analakely, ny eny Soarano sy ireo hafa. Nampanantena anefa ny avy ao amin’ny Kaominina fa ho avy tsy ho ela avokoa izany asa rehetra izany.

Hitohy tsikelikely

Mandeha mora fa tsy maintsy ho vitaina ireny lalana rehetra ireny raha ny fampanantenan’ny avy ao amin’ny Koaminina Antananarivo Renivohitra. Mbola maro ireo tsy vita saingy hitohy ny fanamboarana sy ny fanarenana. Tafiditra ao anatin’izany ihany koa ny fanavaozana na fanarenana ireo lalana rarivato. Efa vita tao anatin’izany ohatra ny teny amin’ny lalana eny Anosipatrana. Tsy hijanona eo fa hitohy amin’ireo lalana rehetra eto andrenivohitra ny asa araka ny torormarika efa napetraka hatrany, hoy ny fanambarana. Mifanindra-dalana amin’izany dia manohy ny asany miandalana ihnay koa ny avy ao amin’ny Goverinoran’ny faritra Analamanga amin’ny fanamboarana ireny lalana rehetra ireny. Na izany ireo lalana rari-vato na ireo lalana izay ho rakofana tara.

Lire la suite

Articles Similaires