• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Cirgn
Image
Vaovao

Fifamoivozana : Mampitandrina ireo mpamily kodiarandroa mpanao tandrevaka ny zandarimaria

14/05/2024 07:56 © Moov

Androany maraina, teny Ambanidia teny, no nahazoana ity sary ity. Nandefa hafatra manokana ho an'ny raim-pianakaviana iray nanao tandrevaka ny fiarovana ny ain-janany ny zandarimariam-pirenena (CIRGN Antananarivo).

Fanairana

Mampioron-koditra no mahita ity zaza mbola kely nefa apetraka ao aoriana, sady tsy manao aroloha akory. Samy tsy misy manao akanjo natao ho an'ny "motards" ihany koa na ny llehibe na ny zaza. "Ambava-loza" ny zaza, hoy ny zandarimaria. Sady arahina tsy fanajana ny lalana fitondrana kodiaran-droa izany.
"Raha hitanao ity publication ry raim-pianakaviana dia mandalova kely ny biraon'ny zandarimaria akaiky anao fa misy valisoa firavaka bracelet volafotsy mendrika omena anao" : io no hafatry ny zandarimaria ho an'ilay raim-pianakaviana. Sangisangy ihany nefa izany, fa fananarana sy fanairana no tena tanjona eto. Marobe ny lozam-pifamoivozana mitranga, indrindra mahakasika ny kodiarandroa, izay avy amin'ny tsy fitandreman'ny mpitondra ihany matetika. Mampalahelo foana nefa rehefa misy maratra na misy mamoy aina.

Fampiharana sazy

Matetika dia mandefa "fananarana" ao amin'ny pejiny, ao amin'ny tambazotra sosialy, ny CIRGN Antananarivo. Entina anomezana lesona ireo mpampiasa lalana rehetra sy ny vahoaka malagasy tsivakivolo izany. Ho an'ireo mpisehatra amin'ny familiana kodiarandroa manokana, vao tamin'ny asabotsy lasa teo no nisy fifampizarana sy fampiofanana teny amin'ny Foiben'ny Fitsarana Fiarakodia teny amin'ny By-pass. Tsy ilaozan'izay tsy mitandrina na minia mandika lalàna tsotr'izao nefa.
Maro tokoa ireo sazy azo ampiharina. Ho an'ity raim-pianakaviana nitondra zaza ity izao dia ireo no sazy azo ampiharina aminy :
-Fitazomana am-ponjakely mandritry ny 48 ora.
-Fanaterana ny antontan-taratasin'ady sy ny vatatenany manoloana ny fitsarana
-Fisintonana vonjimaika na tanteraka ny taratasy fahazoandalana mamily kodiaran-droa (raha ananany izany)
-Fampidirana am-bala fanagiazana ny kodiaran-droa.
Entanina hatrany ny Ray aman-dreny tsy maintsy mitondra zanaka amin'ny moto mba hiaro azy ireny. Tsy tokony ny mpitandro ny filaminana indray no ho sarotiny amin'ny zanaky ny tena. Raha ny lalàna manan-kery dia tsy tokony entina amin'ny kodiaran-droa ny zaza latsaky ny 5 taona.

Lire la suite

Articles Similaires