• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Bangkokpost
Image
Vaovao

Trafikana biby arovana tany Thaïlande : Avy any Birmanie ilay nitarika ny tambajotra teto Madagasikara

13/05/2024 20:10 © Moov.Mg

Niakatra fampanoavana androany maraina, teny amin’ny tendrom-pitsarana miady amin’ny kolikoly na ny PAC, ny raharaha fanondranana sokatra sy varika an-tsokosoko, izay tratra tany Thaïlande.

Fifanenjehana

Rehefa natao ny fanadihadiana tao anatin’izay andro maromaro izay, dia olona 18 isa no voakasik’ity raharaha ity, araka ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny Fadintseranana Malagasy, Lainkana Zafivanona Ernest. Ny 8 tamin’ireo no natolotra ny Fampanoavana eo anivon’ny PAC androany maraina. Nisy, tao anatin’izany, ny fifanenjehana sy ny fifampitadiavana, hoy ny tale jeneralin’ny Fadintseranana. Tsy teto Antananarivo ihany no nanatontosana ny fikarohana, fa nisy ihany koa tany amin’ny Faritany, tany Mahajanga indrindra indrindra. Ny iray tamin’ireo 8 niakatra fampanoavana teny amin’ny PAC 67 ha androany aza dia vao tratra androany maraina, araka ny fanazavan’i Lainkana Zafivanona Ernest. Mbola misy olona kosa karohina 3. Efa nisy kosa, raha tsiahivina, ireo tera-tany vahiny 6, izay tratra tany Thaïlande, fa mbola misy ihany koa ireo karohina.

Namidy mora

Tsy nisy mpiasan’ny fadintseranana voakasika tamin’ity raharaha ity, noho ireo biby ireo tsy nandalo seranam-piaramanidina na seranan-tsambo, hoy hatrany ny fanazavana. Misy tera-tany vahiny kosa amin’ireo niakatra Fampanoavana teny amin’ny PAC androany, ka avy any Birmanie ny iray. Izy io, araka ny nambaran’ny taje jeneralin’ny Fadintseranana Malagasy, no tena filoha nitarika ny tambajotra teto Madagasikara. Izy no nifandray tamin’ireo tera-tany Thaïlandais miisa roa. Misy tera-tany indianina iray ihany koa, isan’ireo niakatra fampanoavana ary malagasy miisa 7 no iray tendro tamin’izy ireo. Ny mampalahelo tamin’ity raharaha ity, dia ambany ny vidiny nangalan’ireo mpanao trafika ireo biby ireo taty Madagasikara, izay 400 hatramin’ny 500 tapitrisa Ar. Manodidina ny 3 tapitrisa dôlara (any ho any amin’ny 14 lavitrisa Ar) kosa anefa no handraisana azy any ivelany. Sokajiana ho heloka bevava moa no iampangana ireto mpanao trafika ireto. 5 taona an-tranomaizina, fara-fahakeliny, ny sazy miandry ny tsirairay amin’izy ireo. Hotanana am-ponja vonjimaika izy ireo ary ny mpanao famotorana zokiolon’ny Mpitsara mpanao famotorana no hisahana ny raharaha, noho izy manan-danja loatra.

Lire la suite

Articles Similaires