• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Prm
Image
Vaovao

Banky Foiben'i Madagasikara : 12 tapitrisa ariary no vidin'ilay vola dimampolo volamena

13/05/2024 20:07 © Moov

Efa azo jifaina ny vola volamena miendrika dimampolo ariary, amin'ny vidiny 12 tapitrisa ariary (60 millions fmg).

Fanamarihana ny faha-50 taonan'ny BFM

Mamarana ny fankalazana ny faha-50 taonany ny Banky Foiben'i Madagasikara. Androany 13 may 2024, tamin'ny 5 ora hariva, no nanatanterahana ny lanonanafanombohana ny fivarotana ny Vola miendrika dimampolo ariary, vita tamin'ny volamena. Azo jifaina izany izy io, ka 12 tapitrisa ariary ny vidiny. Tsara ny manamarika fa milanja 31,104 g (1 Oz) ilay vola volamena. Tsy teto Madagasikara no nanontana ireo vola volamena efa vonona amidy fa tany Turquie. Ny Istanbul Gold Refinery no nanao ny asa. Ampahatsiahivina fa efa Tsara ny mampahatsiahy fa mitentina 331 241 Ariary mahery izao ny vidin’ny iray grama amin’ny volamena eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Ny 19 jona 2023 moa no nanehoana ampahibemaso voalohany io vola volamena io.
Ho an'ireo izay te hividy izany dia miditra amin'ny tranokalan'ny Banky Foiben'i Madagasikara, ka manaraka ny toromarika rehetra. Marihana fa ilàna kara-panondro ny fifanakalozana atao.

Tantara tsy tontan'ny ela

Reharehan'i Madagasikara eto an-toerana sy maneran-tany ny Banky Foiben'i Madagasikara. Anisan'ireo vokatra tsara tato ho ato ny fahazoan'ny Ariary lanja, manoloana ireo vola vahiny. Midika izany fa mahomby ny fitantanana ara-bola eto amin'ny firenena, sady maro kokoa ny entana alefa any ivelany noho ny entana afarana. Anisan'ny nampahazo aina ny Ariary ihany koa ny firoboroboan'ny sehatry ny fizahantany.
Tsy voatery hahavidy ilay vola dimampolo volamena avokoa akory ny Malagasy rehetra, saingy mipetraka ho tantara ny fisian'izany "pièce de monnaie de collection" izany. Manamafy kosa ny Banky Foiben'i Madagasikara fa mbola azo ampiasaina manerana ny Nosy ny vola dimampolo tsotra, amin'ny fifanakalozana rehetra.

Tetik’asa mahasoa ny firenena

Tsy mijanona hatreo ny asan’ny Banky Foiben’i Madagasikara. Maromaro ireo vinan’asa miandry ho an’ny dimampolo taona manaraka.
Tsara ny mampahatsiahy ireto teboka roa lehibe ireto :
-Manana tanjona hanondrana volamena 15 taonina isan-taona i Madagasikara, izay heverina hampiditra vola vahiny 900 tapitrisa dolara isan-taona.
-Hanana "raffinerie d’or" hanadiovana volamena Madagasikara. Kendrena ho vita amin'ity taona ity ny fanatanterahana izany.
Raha ny tsenan’ny volamena eto Madagasikara manokana no resahina, ireo mpivarotra antsinjarany isaky ny renivohi-paritany no tena manana tsenam-barotra. Tsy mahasarika ny mpividy nefa ny volamena, raha tsy rehefa misy fety lehibe toy ny mariazy, izay ifanoloran’ny mpivady peratra volamena. Vitsy ireo sahy miravaka volamena amin’ny andavanandro noho ny tsy fahampiana na ny tahotra olon-dratsy. Mirona any amin’ny volafotsy ny mpividy firavaka noho izy sady mora kokoa no tsy dia manintona firy ny mason’ny mpanendaka.

Lire la suite

Articles Similaires