• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Earthborn Creatures
Image
Vaovao

Sokake ahiana ho lany tamingana : Fokontany roa ao amin’ny kaominina Androka sisa no ahitana

13/05/2024 16:48 © Moov.Mg

Miantso ny amin’ny tokony hiarovana ireo bibidia sy ireo hazo sarobidy eto Madagasikara, manoloana ireo mpanao kolikoly sy ireo mpanao trafika tsimatimanota, ny solontenan’ny firaisamonimpirenena misehatra amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Isan’ny tena ahiana ho lany tamingana ny sokake, na ny « Astrochelys radiata ».

Atsimo Andrefana sy Androy

Raha toa ka hita, saika tany amin’ny Faritra Atsimo Andrefana sy Androy iray manontolo, ny karazana sokatra antsoina hoe : « tortue radiée », na « Astrochelys radiata », na ny sokake, dia zara sisa raha misy izany ankehitriny. Araka ny fanazavan’i Mahatao Jean Fidison, filohan’ny COJEAA (Collectif des OSCs des Jeunes Engagés Atsimo Andrefana), izay vondrona tanora avy any Atsimo andrefana, misehatra amin’ny fiarovana ny harem-pirenena, dia Fokontany 2 any amin’ny kaominina Androka, Distrikan’Ampanihy sisa, no ahitana izany sokatra izany. Tany amin’ny taona 80 tany ho any, araka ny fanazavany, dia nahitana sokake avokoa ny Faritra Atsimo Andrefana iray manontolo, hatrany Morombe sy Androy. Ankehitriny dia Fokontany roa amin’ny kaominina roa sisa no misy an’ity biby arovana ity. Tamin’izany fotoana izany, raha ny fitantaran’ity filohan’ny COJEAA ity, dia nahitana sokake na dia eny amoron’ny lalana lalovana, avy any Itampolo mankany Androka aza, izay lalana manodidina ny 50 km. Amin’izao fotoana izao kosa dia Fokontany roa ao amin’ny kaominina Androka sisa no ahitana sokatra vitsivitsy, dia ny Fokontany Ankilibory ny Fokontany Bevoalavo.

Angonoka

Fanontaniana napetrak’i Mahatao Jean Fidison, araka izany ny hoe : nankaiza ireo sokatra nanomboka tamin’ny taona 2018 ? Tsy ny olona mpihinana azy fotsiny no nahalany tamingana azy ireny, hoy izy, fa eo indrindra indrindra ny fanondranana an-tsokosoko ireto biby arovana ireto. Tsy ny sokake ihany anefa no ahiana ho lany tamingana, fa mampanahy ihany koa ny momba ny karazan-tsokatra antsoina hoe : angonoka, hoy Razakamanarina Ndranto, filohan’ny vovonana Alliance Voahary Gasy. Betsaka kokoa ny angonoka any Thaïlande ankehitriny, noho ny any Soalala, izay tany fiaviany, araka ny nambarany. Misy 2.000 isa mahery ny angonoka any amin’io firenena io, hoy hatrany ny fitantarany, efa efa lasa sarotra be anefa ny mahita izany sokatra izany any Soalala amin’izao fotoana izao.

Lire la suite

Articles Similaires