• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mae
Image
Vaovao

Diplaomasia : Nisafidy ny hiara-hiasa amin’ny firenena rehetra i Madagasikara

13/05/2024 16:02 © Moov

Tsy hanavaka fa hiara-hiasa amin’ny firenena rehetra maneran-tany izay maniry ny handray anjara ao anatin’izany fiaraha-miasa izany i Madagasikara. Nanatanteraka tafatafa tamin’ireo mpanao gazety ny Minisitry ny Raharaham-bahiny, Rafaravavitafika Rasata izay niompana tamin’ny lohahevitra hoe : Madagasikara sy izao tontolo izao, ny fivoarana ara-stratejika amin’ny fiovan’ny firenena maneran-tany.

Diplaomasia ara-toekarena

Nazavain’ity Minisitra ity ny tetik’adin’ny firenena hahafahana manatsara ny fampandrosoana ara-toerakarena ity, nandritra ny fotoana nifampiresahany tamin’ny mpanao gazety. Omena lanja manokana ny diplomasia ara-toekarena, izay mifototra amin’ny fampandrosoana ara-toekarena ary hanatsarana ny lafiny sosialy amin’ity asa ity. Tsy hanavaka fa handray ny fiaraha-miasa rehetra amin’ireo mpiara-miombon’antoka avy amin’ireo firenena rehetra i Madagasikara raha eo amin’ny lafiny fiaraha-miasa sy fiaraha-mientana iraisam-pirenena. Raha tsiahivina dia tafiditra oa anatin’izany ny fanokafana ireo masoivoho vaovao any Abu Dhabi sy Maroc Anisan’ny fomba iray maneho mivantana izany fa vonona hiara-hiasa amin’ny firenena rehetra i Madagasikara.

Fanamafisana fiaraha-miasa

Anisan’ny fotoana iray nanaovana tatitra mahakasika ireo diany sy ny dian’ny Filoham-pirenena tany ivelany ity tafatafa ity. Tao anatin’izany no nanambarany fa ny dia rehetra izay tanterahin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny sy ny Filohan’ny Repoblika ary ireo tompon’andraiki-panjakana dia mifototra amin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ireo firenena vahiny avokoa. Raha ny fantatra ihany koa dia tamin’ity volana mey ity no nanolorana ara-pomba ofisialy ny taratasy maneho ny fahavononana amin’ny fanokafana io Masoivoho ao Abu Dhabi io. Fomba iray ihany koa hamaritana ny fanamafisam-piaraha-miasa izay efa nisy nandritra ny fotoana ela izany.

Politika ivelan’i Madagasikara

Nandritra io fotoana io ihany koa no nanambarana fa hivoaka tsy ho ela ny politika ivelan’i Madagasikara izay ho velabelarin’ny minisiteran’ny raharaham-bahiny. Tafiditra ao anatin’izany ny fisintomana ny vahiny hampiasa vola eto an-toerana, ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny fanofanana arak’asa, ny fijerena ny fampiasam-bola vahiny hamatsiana vola ireo tetikasam-pampandrosoana, ary hahafahana manondrana ireo vokatra tsara eto any amin’ireo tsenam-barotra vaovao. Diplomasia miahy ny vahoaka moa no tanterahana eto Madagasikara. Izany hoe hiaro ny fiandrianam-pirenena kanefa hisokatra amin’ny firenena maro hatrany. Indrindra moa fa ireo firenena izay manana anjara toerana lehibe eo amin’ny lafiny ara-toekarena.

Lire la suite

Articles Similaires