• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ministère De La Justice
Image
Vaovao

Fitsarana ambaratonga voalohany Antananarivo : Ho vitaina ao anatin’ny 5 hatramin’ny 6 volana ireo raharaham-pitsarana miisa 50.000

13/05/2024 15:57 © Moov

Tohin’ilay fampanantenan’ny avy ao amin’ny Ministeran’ny fitsarana ny amin’ny fanatsarana ireo asam-pitsarana dia vinavinaina ho vitaina ao anatin’ny 5 hatramin’ny 6 volana ireo raharaham-pitsarana miisa dimy alina eo anivon’ny Fitsarana ambaratonga voalohany eto Antananarivo. Izany no fanambarana nataon’i Ralatoa Landy Mbolatiana Randriamanantenasoa, minisitry ny Fitsarana, nandritra ny fandraisana ireo fitaoavana entina hanampiana ity sampan-draharaha ity.

Hanampy mpiraki-draharaha miisa 50

Hiampy 50 isa indray ireo mpiraki-draharaha eo anivon'ny minisiteran’ny Fitsarana mba hifanome tanana miaraka amin’izy ireo amin’ny fanatanterahana izany araka ny fanambarany hatrany. Solosaina miisa dimby amby roapolo ihany koa no natolotra ny Fitsarana ambaratonga voalohany eto Antananarivo mba hahafahana manatratra hatrany izany tanjona izany. Araka izany dia hifanome tanana ny mpandray anjara rehetra eny amin’ny tontolon’ny fitsarana sy ireo olona vaovao ho ampidirina ireo mba hahafahana mandray an-tanana amin’ny fomba aingana sy matihanina ireo raharaha rehetra ireo. Ilaina ny fifanatonan’ireo ratsam-pitsarana rehetra amin’ny minisitera foibe hoy ny minisitry ny fitsarana, mba hahafahana manatsara ny tolotra.

Hanome fahafaham-po ireo mpila raharaha

Nanambara ihany koa ity Minisitra ity nandritra io fotoana io ny amin’ny fanavaozana sy ny fanovana izay tokony hatao manerana ny sampan-draharaham-pitsarana isan-tokony, indrindra ireo any amin’ny tontolo ambany vohitra. Hojerana araka izany hoy hatrany ny tenany ny mahakasika ireo toerana mila tan-tsoroka sy fanampiana amin’ny asany. Izany rehetra izany dia mba hahafahana manome fahafaham-po ireo olona manan-draharaha eny amin’ny fitsarana izay efa nandrasany tanatin’ny taona maro. Anisan’ny ho avaozina ao anatin’izany ihany koa ny fahaizana mandray olona, mba hialana indrindra amin’ny fikitakitana ka hahafahan’ireo olona manan-draharaha manamora ny antondiany. Ankoatra izay dia ilaina koa ny fanatsarana ny kalitaon’ny didy izay hivoaka eo.
Ankoatra ireo fanomezana natolotra ny Fitsarana ambaratonga voalohany eto Antananarivo dia ho atsaraina ihany koa ireo fitaovana ho an’ireo sampana hafa. Mbola hisy araka izany ny fanomezana ireo fitaovana ho an’ireo fitsarana rehetra manerana ny Nosy araka ny filàna voasoritra.

Lire la suite

Articles Similaires