• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Basta Lion/Taxi Be
Image
Vaovao

« Fiesta Brazil » : Ambiansy mafana any Mahajanga, ny sabotsin’ny Pantekôsta

13/05/2024 12:04 © Moov.Mg

Hafana ny ao Mahajanga ao amin’ny faran’ny herinandro ! Ny ambiansin’i Brezila no ho entin’i Jesse Dewars sy ny MK & Compagnie, miaraka amin’i Telma Madagascar, manamarika ny sabotsy mialohan’ny Pantekôsta.

Mpanakanto manana ny lazany

« Fiesta Brazil » no anaran’ny hetsika, izay hotanterahina ao amin’ny Royal Club, ny sabotsy 18 mey izao, manomboka amin’ny 7 ora hariva. I Basta Lion sy i Ngiah Tax Olo Fotsy no mpanakanto hanome hafanana ity lanonana ity, mpanakanto izay samy manana ny maha-izy azy avy. Azo lazaina ho tompony fa tsy mpihindrana i Basta Lion, raha ny gadona « Reggae Dance Hall » amin’ny aingam-panahy malagasy no resahina. Isan’ny hira tsy afaka am-bavan’ny mpankafy azy ny « Colombian », izay azo inoana fa hampitsinjaka ireo izay ho avy amin’ity fotoana ity. Tahaka izany koa ny « Vary Mena », izay miavaka, noho izy manasongadina ny vakodrazana Sakalava. Etsy an-daniny, tsy zoviana amin’ny maro intsony i Ngiah Tax Olo Fotsy, izay miangaly ny « rap », ny « trap », ny « ego trip » sy ny « drill ». « JNFT » sy « Filafila » no isan’ny raki-tsary navoakany farany, izay be mpijery tokoa ao anaty YouTube.

Lokon’akanjo iraisana

Ankoatra ny fiakaran-tsehatr’i Basta Lion sy Ngiah Tax Olo Fotsy dia hisy ihany koa ny fanentanana isan-karazany, toy ny « T-Shirt mouillé ». I Cool Jah, izay fantatry ny vahoakan’i Mahajanga tsara amin’ny fahaizany manentana, no hiandraikitra izany fanentanana izany. Lokon’akanjo isafidianana, izay tokony anaovana amin’io fotoana io mba handravaka tanteraka ny lanonana, ny mavo, ny maitso, ny fotsy ary ny manga. Any Mahajanga izany no fotoana amin’ity sabotsy, faran’ny herinandron’ny Pantekôsta ity !

Lire la suite

Articles Similaires