• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ministeran'Ny Fiarovam-Pirenena
Image
Vaovao

Fampandriana fahalemana : Nandray anjara tamin’ny fihaonan’ny hery fiarovana an-tanety manerana an'i afrika i Madagasikara

13/05/2024 11:37 © Moov

Anisan’ny tao anatin’ireo firenena miisa efapolo nandray anjara tamin’ny fivorian’ny hery fiarovana an-tanety manerana an’i Afrika andiany faha-12 (African Land Forces Summit ALFS) i Madagasikara. Mitsinjara tamin’ny firenena amin’ireo kaontinanta Afrikanina, Eropeanina ary Amerikanina ireo mpandray anjara ireo.

Nisolo tena an’i Madagasikara nandritra ny dimy andro tany Zambia tamin’izany ny Jeneraly Rakotoson Jocelyn, Lehiben'ny Etamazaoron'ny Tafika an-tanety niaraka tamin’ireo delegasiona notarihiny.

Tafika Amerikanina sy Zambianina

Tao anatin'ny dimy andro katroka no nanatanterahana ity fihaonana an-tampony lehibe, izay notarihan'ny Tafika Amerikana sy ny Tafika Zambiana tany Livingstone, Zambia ity. Nifampizara traikefa araka izany ireo mpandray anjara tsirairay ho amin’ny tanjona niraisana. Ireto tafika roa avy eto Afrika sy avy any Amerika ireto araka izany no nitondra ny fivoriana ary anisan’ny nitondra fampianarana sy fahalalana maro isan-karazany ho an’ireo firenena hafa mpanatrika. Ny tafika amerikanina ihany koa izay nanohana ara-bola ity fivoriana ity, raha ny tatitra ofisialy. Zava-dehibe tamin'izany tanjona izany ny fitadiavana sy famolavolana ireo vahaolana iraisana manerana ny Faritr'i Afrika, manoloana ireo olana sedraina ara-toekarena, ara-pôlitika, ara-demôgrafika, ary ny fahasimban'ny tontolo iainana vokatry ny fiovaovan'ny toetrandro izay ambana lehibe iraisampirenena. Olona miisa 500 teo ho eo no niatrika ity fivoriana ity hahafahana miaro ireo vahoaka aman’aliny maro manerana ireo kaontinanta ireo.

Lohahevitra isan-karazany

Maro dia maro ireo lohahevitra nifantohan'ny lahadinika, ary lohahevitra mifatoka amin’ny fiarovana ny fandriam-pahaleman’ny tsirairay avokoa izany. Anisan’ny noresahina tamin'izany ny fanondranana olona an-tsokosoko, ny fifindra-monina sy ny vokatra aterak'izany eo amin'ny sehatry ny filaminana. Teo koa ny lohahevitra nifantoka tamin'ny fahasimban'ny tontolo iainana, sy ny ady iombonana amin'ireo asan-jiolahy, ary ny fifampizarana ireo tetika mahomby iraisana eto Afrika mikasika ny asa fampandriana fahalemana. Tombony lehibe ho an'i Madagasikara araka izany, ny fandraisana anjara tamin'ity fihaonana an-tampony ity, amin'ny fanarahana ireo paikady iombonan'i Afrika manontolo, sy ny fahafaha-mpampihatra ireo teti-panorona momba ny fiarovana ho an'ny tombontsoan'ny vahoaka malagasy.

Lire la suite

Articles Similaires