• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Le Devoir
Image
Vaovao

Jono lamatra : Ahiana tsy hahavokatra ny filàna intsony ny ranomasina, amin’ny taona 2027

13/05/2024 10:53 © Moov.Mg

Mihamihena hatrany ny tahiry sy ny vokatra lamatra (thon) azo trandrahana aty amin’ny faritry ny Ranomasimbe Indianina, vokatry ny fanjonoana tsy araka ny tokony ho izy. Ny momba izany indrindra no ifantohan’ny fihaonana faha-28-n’ireo Mpikambana sy Firenena Manjono Lamatra aty amin’ny Faritry ny Ranomasimbe Indianina (CTOI), izay manomboka androany.

Jono mihoa-pampana

Ny karazana lamatra antsoina hoe : “thon jaune” na « Thunnus albacares » no tena tsikaritra ho mihena, tao anatin’ny 10 taona, vokatry ny fanjonoana azy mihoa-pampana. Raha mitohy izany dia mety tsy hamokatra ny filàntsika amin’ny vokatra lamatra intsony ny ranomasina amin’ny taona 2027. Araka izany, maika dia maika ny fanarenana ny tahirina lamatra aty amin’ny Ranomasimbe Indianina. Lohahevitra lehibe dinihina mandritra ny fihaonana faha-28-n’ireo Mpikambana sy Firenena Manjono Lamatra aty amin’ny Faritry ny Ranomasimbe Indianina (Commission des Thons de l'Océan Indien), izay manomboka androany ary hifarana ny 17 mey izao, ny momba izany. Ity fihaonana ity no fotoana tokony anehoana fahavononana sy andraisana fanapahan-kevitra hentitra sy maharitra, hahafahana mamerina amin’ny laoniny indray ireo tahiry sy vokatra lamatra azo trandrahana (reconstitution de stock de thon), hoy Rakotonaivo Lalaina, mpandrindra momba ny jono (Fisheries Coordinator) eo anivon’ny WWF Madagascar.

Famerenana amin’ny laoniny

Araka ny nambaran’ny avy eo anivon’ny WWF Madagascar dia isan’ny tokony imasoan’ny CTOI ny fananganana drafitra maharitra amin’ny famerenana amin’ny laoniny ny tahiry sy ny vokatra lamatra. Ho fanombohana izany dia tokony ahena 30%, fara-fahakeliny, ny haza maneran-tany raha mitaha amin’ny tamin’ny taona 2020. Fotoana izao anamafisana ny fahavononan’ny mpikambana tsirairay hirotsaka (engagement), ka hanova ny fombam-panjonoana ho tsaratsara kokoa, mba hampaharitra ny tahiry sy ny vokatra, fa indrindra koa ho fiarovana ny tontolo iainana, araka ny nambaran-dRakotonaivo Lalaina.

Lire la suite

Articles Similaires