• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Fintim-baovao : Ireo vaovao nisongadina ny 6 hatramin'ny 12 may 2024

13/05/2024 00:01 © Moov

Atolotra anao indray ireo vaovao nanamarika iny herinandro lasa iny, dia ny 6 hatramin'ny 12 may 2024. Mirary herinandro feno fahombiazana.

CENI # Fampiofanana ireo tompon'andraikitra

Miha-manakaiky hatrany ny datin'ny fifidianana solombavambahoaka eto Madagasikara. Mbola mitohy ny fandaminana isan-karazany izay tanterahin'ny CENI. Tamin'ny faraparan'ny herinandro teo, ny 10 sy 11 may, ny tany Morondava no nahazo tombony manokana. Nisy mantsy ny fampiofanana ireo mpikambana amin'ny SRMV sy ireo mpikambana isaky ny biraom-pifidianana. Ny tanjona moa dia ny hanajana sy hampanajana ny lalàna mifehy ny fifidianana, indrindra moa mandritra ny androm-pifidianana sy mandritra ny fikirakirana ireo vokatra.

BFM # Fampirantiana ny tantaran'ny Vola

Ny 7 may lasa teo no nosokafana tamin'ny fomba ofisialy ny fampirantiana ny tantaran’ny vola malagasy, teny amin’ny Lapan’ny Tanànan’Antananarivo. Tafiditra ao anatin'ny famaranana ny fankalazana ny faha-50 taonan'ny Banky Foiben'i Madagasikara (BFM). Nahita ireo karazam-bola rehetra nisy teto Madagasikara avokoa ireo mpitsidika. Tsy adino ny famelabelaran-kevitra samihafa mikasika ny vola. Tsara ny manamarika fa mbola mitohy hatramin'ny 18 may ho avy izao ny hetsika. Hanasana ny rehetra izany. Tsy misy ny vidim-pidirana na fanavahana ireo mpitsidika.

CUA # Fanamboaran-dalana

Anisan'ny asa iandraiketan'ny CUA ny fanamboaran-dalana. Mitohy hatrany izany, ka ny teny Anosy, manoloana ny Senat, no tontosa soa aman-tsara. Niteraka fitohanan'ny fiara mihitsy mantsy ilay lavaka teo. Eo am-panatontosana tanteraka kosa ny fanamboarana ny pave eny Anosipatrana eny. Miezaka hatrany ny Kaominina mijery ireo toerana be mpifamezivezy nefa miha-simba ny fotodrafitr'asa. Entina hanatsarana ny kalitaon'ny fiainana eto Antananarivo Renivohitra izany.

APIPA # Ady amin'ny fiakaran'ny rano

Mbola tandindonin-doza amin'ny fiakaran'ny rano hatrany ireo faritra iva eto an-drenivohitra, na dia efa dila aza ny vanim-potoanan'ny fahavaratra. Noho izany indrindra, mamerina manatanteraka asa fanadiovana sy fanalana tsikafona indray ny sampan-draharaha misahana ny fiarovana ny lemak’Antananarivo amin’ny tondra-drano na ny APIPA. Ireo lakandrano amin'ny faritra iva no voakasiky ny fanadiovana : Besarety, Andravoahangy, Anosy, Andavamamba, Ankazomanga, sns. Raha tsiahivina dia tsy nisy ny tondra-drano sy ny fiakaran'ny rano be teto Antananarivo nandritra ny roa taona nisesy izay, na dia nisy aza ny orambe sy ny rivodoza.

Kolikoly # Voaheloka higadra i Romy Andrianarisoa

Efa amam-bolana maro no niandrasana ny fanapahan-kevitry ny fitsarana tany Londres, mikasika ny raharaha nahavoasaringotra ny Talen'ny Kabinetran'ny Fiadidiana ny Repoblika teo aloha, Romy Voos Andrianarisoa. Notorian'ny Orinasa Giemfields moa ity farany fa nangataka tsolotra mba hanomezany fahazoan-dalana amin'ny fitrandrahana harena an-kibon'ny tany eto Madagasikara.
Voaheloka higadra telo taona sy tapany an-tranomaizina, sazy mihatra, i Romy Andrianarisoa. Ilay namany kosa, Philippe Tabuteau, dia nahazo sazy roa taona sy telo volana.

Kolontsaina # Fodiamandrin'ny Olobe miisa roa

Maizina ny lanitry ny mpandala ny Fomban-dRazana Malagasy. Folaka ny Mpanjakan'i Menabe, Magloire Kamamy, izay nandray ny fitondrana tamin'ny taona 2018. Zafin'ny Mpanjaka Toera moa ny tenany. Ny Mpanjaka Toera moa dia ilay mbola hampodiana eto Madagasikara ny Kabeso na Karandohany.
Teto Antananarivo indray, niamboho ny Tsimitoviaminandriandehibe Guy Rajaofetra, fantratra tamin'ny solon'anarana hoe Xhi. Mpanao hoso-doko, mpandalina ny tontolo tsy hita maso ary manam-pahaizana manokana momba ny Sikidy ny tenany.

Fahasalamana # Vaksiny iadiana amin'ny lefakozatra

Haverina indray ny hetsika vaksiny faobe hiarovana mialoha amin’ny aretina lefakozatra manerana ny Nosy, araka ny fanambarana nataon'ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka tamin'iny herinandro lasa iny. Ireo zaza 0 hatramin’ny 15 taona no hisitraka izany ny talata 14 may izao hatramin’ny 17 may. Miisa roa ambiny folo tapitrisa sy iraika amby dimampolo sy valon-jato sy arivo sy sivy amby efapolo ambi-zato (12 851 149) ireo zaza homena ity vaksiny ity raha ny amin’ity taona 2024 ity. Atete am-bava ny fanafody fa tsy atsindrona akory.

Kianja Barea # Tontosa ireo asa notakian'ny CAF

Raha tsiahivina, tsy mahazo mandray lalao iraisam-pirenena intsony aloha ny Kianja Barea, taorian'ny fitsirihana nataon'ny CAF. Noho izany indrindra no nanatanterahana asa maromaro. Ny 10 may teo no nambara tamin'ny fomba ofisialy ny fahavitan'ireo asa, entina angatahana indray ny "homologation" avy amin'ny CAF.
Anisan'ireo asa vita ny fanampiana tohatra miisa 8 izay milatsaka mivantana eo amin’ny kianja ao anatiny ankoatra ireo 5 efa misy. Nampiana tohatra roa ihany koa avy ety amin’ny « tribune » ankoatra ireo roa efa misy hanamorana ny fidinan’ny olona avy eny ambony. Nampiana ihany koa ny vavahady fivoahana. Tsy adino ny toerana fitiliana zava-mahadomelina.

Sehatry ny lamba # Fandresen-dahatra ny Sinoa

Tetsy amin’ny Radisson Blu Ambodivona ny zoma 10 may tolakandro no nandresena lahatra ny China Textile and Apparel Council hitodika aty Madagasikara. Nafàna ny dinika satria mila zavatra mazava koa ry zareo sinoa.
Mifaninana amin’i Etiopia isika amin’ny fahazoana ny fampiasam-bola sinoa eo amin’ny sehatry ny lamba. Manam-pikasana hampiasa vola aty Afrika mantsy ry zareo sinoa ka na i Madagasikara na i Etiopia no isafidianany. Orinasa 20 no miara-dia amin’ny delegasiona sinoa amin’izany fifandresen-dahatra izany.

BAC # Nanomboka ny EPS

Nanomboka omaly 11 mey 2024 ka haharitra hatramin’ny 21 jona 2024 ny adina ara-panatanjahan-tena bakalôrea ho an’ny Faritra Analamanga.
Ny taranja lomano no nisantarana izany teny amin’ny « piscine olympique » ao amin’ny ANS Ampefiloha. Mpianatra 215 no nisafidy ity taranja ity, ahitana ny sokajy rehetra raha manodidina ny 80000 ireo mpiadina ara-panatanjahan-tena. Saika tonga avokoa ireo mpiadina, na dia efa mamirifiry tanteraka aza ny andro.

Antananarivo Renivohitra # Fanadiovana faobe

Ny zoma 10 may lasa teo no nanatanterahana ny fanadiovana faobe fanao isam-bolana tao Antananarivo Renivohitra. Nandray anjara avokoa ireo fokontany 192 mandrafitra ny boriborintany 6. Izany no tontosa dia araka ny toromarika nomen'ny PDS-n'Antananarivo, ka hanaovana asa fanadiovana faobe isaky ny zoma faharoan'ny volana.
Samy nanana ny fandaminany moa ny Fokontany tsirairay, fa amin'ny ankapobeny dia samy nitondra fitaovam-panadiovana avy any an-tokatranony ny tsirairay : kifafa, angady, sobika, sns. Ireo tokantrano tsy nandray anjara dia iharan'ny sazy, arakaraka ny lalàna nifanekena teo anivon'ny Fokontany.

Finoana katolika # Fivondronamben’ny Eveka Frantsay

Nitsidika an'i Ny 8 mey teo no nigadona teto Madagasikara ny delegasiôna tarihin’ny Filohan'ny Fivondronamben’ny Eveka frantsay (CEF) sady Aresevekan’i Reims, Éric de Moulins-Beaufort. Araka ny fantatra dia ny filohan’ny Fivondronam-ben’ny Eveka eto Madagasikara sady Evekan'ny diosezin'i Morondava, Mgr Marie-Fabien Raharilamboniaina no nanasa azy ho avy eto Madagasikara, ho fanamafisana ny firaisankina sy ny firaisam-pon’ny fiangonana katôlika.
Tafiditra tao anatin'ny fandaharam-potoanany ny fihaonana tamin'ny Filoham-pirenena Malagasy, Andry Rajoelina.

Croix Rouge # Fankalazana ny andro maneran-tany

Nnkalazaina ny 8 may lasa teo, toy ny isan-taona, ny andro maneran-tany ho an’ny Croix Rouge. Nandray anjara tamin'izany ny vondrona teto Madagasikara. Nisy ny hetsika manokana notanterahina teny amin'ny Parvis-n'ny Lapan'ny Tanàna Analakely. Nisy ny fampirantiana ireo fitaovana ampiasain'ny Croix Rouge, fanoroana ny amin'ny vonjy voina, fitiliana diabeta sy fanomezan-drà.
Tsara ny manamarika fa na eto Madagasikara na maneran-tany dia mpilatsaka an-tsitrapo no tena mandrafitra ny fikambanana.

Ambohimangakely # Livreur voadaroka bois rond

"Livreur" iray no niharan'ny fandratrana sy fanendahana teny Ambohimangakely ny 6 may lasa teo. Jiolahy miisa roa no nitambatra azy tamina toerana somary mangingina ka lasan'ireo ny bisikileta sy ny entana mitentina 500 000 ariary. Vao nahatsiaro tena nefa ranamana dia nampandre ny mpitandro ny filaminana.
Ny ampitso ihany, izany hoe ny 7 may, no nahatratrarana ireo olon-dratsy roalahy, izay efa mpanao afera maloto eny Soarano eny. Nidoboka am-ponja vonjimaika ireo tontakely ireo.

Faritra Anosy # Famatsiana vary mora

Natomboka ny Alatsinainy 6 may 2024 ny fivarotana Vary mora. Tao Amboasary Atsimo no nanombohana izany. Vary 20 taonina isan’andro no amidy amin’ny 2000 Ar isa-kilao raha 100 taonina no efa nomanin’ny avy ao amin’ny Fiadidiana ny Repoblika sy ny Orinasa State Procurement of Madagascar (SPM). Miara-nisalahy tamin’ny fandrindrana ny hetsika ny Fitaleavam-paritra (DRIC) Anosy.
Heverina fa tena hanampy ireo mponina any Atsimo izao fahatongavan'ny vary amin'ny vidiny mirary kokoa izao. Ny vary avy eto an-toerana mantsy dia tsy mahazo raha tsy 2 700 ariary no mihoatra. Misy aza ireo mahatratra 4 000 ariary ny kilao.

Faritra Fitovinany # Hisitraka ny Taniketsa Indostrialy

Milina afaka manodina tantely hatramin’ny 700 litatra isanandro no ho apetraka ao Manakara, raha milina manodina kafe 100 kilao isan’ora no ho an’i Vohipeno. Izany no ho tanteraka dia noho ny Tetik’asa One District One Factory (ODOF) izay karakarain'ny Ministeran'ny Indostria sy ny varotra. Hahazo tombony amin’izany na ny mponina, na ny kaoperativa, na ny mpiompy tantely sy mpamboly kafe, na ny mpandraharaha. Sady hiteraka asa no hampitombo ny fidiram-bola ny fametrahana sy fampiasana ireo milina avo lenta ireo.

Toliara II # Fandorana entana lany daty

Tafiditra anatin'ny fiarovana ny mpanjifa ny fanaraha-maso tsy tapaka ny mombamomba ireo entana amidy eny an-tsena. Entana milanja 2,96 taonina indray no tsy maintsy nodorana, noho ny Date Limite de Consommation (DLC) efa dila, ka mety hahafaty na hankarary raha mbola iniana hanina. Tao Ankoronga Betsinjaky, distrikan'i Toliara II, no nahitana ireo entana lany daty ireo, izay nahitana sorgho sy koba isan-karazany.
Teto Antananarivo indray dia nahatratrarana lafarinina simba, tanaty lasaka miisa 44. Efa tontosa ihany koa moa ny famotehana izany entana izany.

Lire la suite

Articles Similaires