• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Bemokotrà-Maevatanàna : Lehilahy efatra nanolana vehivavy roa

11/05/2024 07:02 © Midi Madagasikara

Efa manomboka mihamahazo vahana ato amin’ny disitrikan’i Maevatanàna indray ny tranga fanolanana misy etsy sy eroa tamin’ity taona 2024 ity.

Ny voalohany volana 01 May 2025 teo no nanamarika ny andron’ny asa ny tao an-tampon-tanàna ny Bemokotrà, izay fanao isan-taona isaky ny fitsidihan’io andro sy volana voalaza etsy aloha io, amin’ny fikarakaran’ny eo anivon’ny kaominina any an-toerana ny lanona tsy manam-paharoa amin’ny ady nentim-paharazana ny » Moraingy watsa mamantana Bal. » Tamin’izany indrindra no efa nisy fitsiriritan-dratsy ireo tovolahy efatra, tamin’ireo vehivavy telo, izay monina any amin’ny fokontan’Anosikely , any amin’ny kaominina ambanivohitra Bemokotrà, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna. Rehefa hita fa nifarana ny lanona amin’ny alalan’ny Moraingy watsa sy ny bal, dia nikasa hamonjy fiodiana any amin’ny tanànan’Anosikely, ampitandrefan’i Bemokotrà,izy telo vavy ny alin’io ihany, saingy efa nisakana teny anebakemban-dalana, ry zalahy ireto. Somary mbola maizina moa ny andro tamin’izany, ka nanaraotra izy efa-dahy, rehefa tazan’izy ireo ny vehivavy telo mandeha an-tongotra, ka tsy nisy resaka maro sy alaharo intsony, fa tonga dia nifampitolomana izy telo vavy no tafaporitsaka niverin-dalana ny vehivavy iray, raha tsy afaka nikofoka ny roa vavy, sady noterana tao ambany. Ny naman’izy roa vavy no nampandreha ny mpitandro ny filaminana sy ny fokon’olona tao Bemokotrà, nitantara ny zava-nitranga nahazo azy ireo. Nidina tsy nanisy hatak’andro ny Zandary rehefa nahare izany, saingy izy roa vavy no tazana efa naratra nifanena tamin’ireo mpitandro ny filaminana teny an-dalana.
Ny marainan’ny Alakamisy faha 02 May 2024 no raikitra fitadiavana azy efa-dahy, izay tadidin’ireo olona voaholana ny tarehany sy ny anaran’ireo mpanolana, ka noraisim-potsiny tany an-tranony Ray aman-dreniny avy, ary nisamborina notanana tao amin’ny fonjakelin’ny Zandary ao amin’ny poste fixe Bemokotrà avy hatrany. Tamin’ny voalohany herinandro ity no voalaza fa efa nakarina ao amin’ny boradin’ny Zandary eto Maevatanàna izy efa-dahy nanao fanolanana, hatao famotorana, raha ny vaovao voaray farany hatrany. Tsara hatrany mampahafantatra, fa latsaky ny 15 sy 12 taona izy telovavy ireto, ary nihezaka hanao ny fampiraharahana ihany koa ny fianakavian’ireo mpanolana amin’ny lelavola valo tapitrisa ariary amin’ireo fianakaviany niharan’ny herisetra.

Lire la suite

Articles Similaires