• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © X
Image
Vaovao

Kianja BAREA : Vita ireo asa fanampiny hahazoana "homologation" avy amin'ny CAF

10/05/2024 14:58 © Moov

Vita ireo asa fanampiny nanamboarana sy nanavaozana ny Kianja Barea Mahamasina araka ny soso-kevitra naroson’ny Konfederasiona Afrikana ny Baolina Kitra (CAF). Miandry ny fanampahan-kevitry ny CAF sisa araka izany fahazoana mandray ireo lalao iraisam-pirenena.

Tohatra sy toeram-pitsaboana

Ny fiarovana ireo mpijery amin’ny loza mety hiseho no tena foto-kevitra nimasoan’ny CAF nandritra ny fitsidihana ity kianja ity. Mbola nisy tsy tomombana moa matoa tsy nahazo "homologation" izany toerana izany. Vita tanteraka ireo asa fanamboarana izany ankehitriny. Araka izany dia nampiana tohatra miisa 8 izay milatsaka mivantana eo amin’ny kianja ao anatiny ankoatra ireo 5 efa misy. Nampiana tohatra roa ihany koa avy eny amin’ny « tribune » ankoatra ireo roa efa misy, mba hanamorana ny fidinan’ny olona avy eny ambony. Ankoatra izay, efa vita ihany koa ny efitrano fitsaboana sy ny toerana fitiliana zava-mahadomelina. Tena manan-danja izany toerana izany, mba hahafahan’ny vokovoko mena (croix rouge) manao ny asany, izay nasiana mari-pamantarana manokana.

Vavahady fivoahana sy fidirana

Nampitomboina araka ny fangatahan’ny CAF ihany koa ny vavahady hivoahana, sady nasiam-panatsarana ny fidirana. Nasiana fanampina vavahady natokana hivoahana fotsiny miisa 2 eo amin’ny P02 akaikin’ny Sainte famille sy eo amin’ny P03 akaikin’i Befelatanana, ankoatra ireo efa misy eo amin’ny P01 sy eo amin’ny Palais des sports. Nentina hanatsarana ny fidirana ihany koa ny fametrahana « tourniquets » isaky ny vavahady lehibe 5. Natao indrindra izany hahafahana manisa ny mpijery isaky ny misy lalao na lanonana hafa.

Bozaka

Tsy tafiditra ao anatin’ny lisitry ny kianja afaka handray ireo lalao iraisam-pirenena intsony ny Kianja Barea Mahamasina hatreto. Araka izany dia nomena fe-potoana sy soso-kevitra ny Federasiona Malagasy ny baolina kitra amin’ny fanavaozana ny foto-drafitrasa mba hifanaraka amin’ny filàn’ny CAF sy ny FIFA.
Ankoatra ireo tohatra hahafahan’ny mpijery mivoaka sy ny vavahady izay namboarina dia anisan’ny voateny ihany koa ny mahakasika ny bozaka. Nampitoviana ny hahavon’ny bozaka mba ho matihanina sy afaka handray ireo lalao isan-karazany. Araka ny fampitam-baovao dia any ho any amin’ny tapaky ny volana may any no handrasaina ny fanapahan-kevitry ny CAF indray. Ankoatra izay dia mbola mitohy hatrany asa fanatsarana ity kianja ity.

Lire la suite

Articles Similaires