Lozam-pifamoivozana : Mila hajaina ireo toerana mila hampidinana ny hafainganam-pandeha
Mbola misesisesy hatrany ny lozam-pifamoivozana. Raha ho an'ny eto an-drenivohitra manokana dia ny kodiarandroa no tena voakasik'izany.
Tsy mitsahatra manao fanentanana ireo manam-pahefana isan-tsokajiny. Ho an'ny CIRGN Antananarivo, misy ny fampahatsiahivana ny mpitondra fiara, moto, bisikileta ny amin'ny tokony hanenana ny hafainganam-pandeha amin'ny toerana mampidi-doza.
Fampahatsiahivana
Raha manana "permis de conduire" ny mpitondra iray dia tokony efa mahafantatra ireo tokony tandremana rehetra. Misy nefa ireo tsy nandalo "auto-école" nefa mitondra fitaovam-pitaterana. Tsara araka izany ny mampahatsiahy ireo toerana tsy maintsy hampidinana ny "vitesse", mba hisorohana ny loza isan-karazany.
Ireto avy izany:
-Ireo sampanan-dalana rehetra ;
-Ireo fiampitana mpandeha tongotra ;
-Ireo fivoahana fiara ;
-Ireo lalana misy fiolahana ;
-Ireo lalana ahitana fiara miantsona na mpivarotra mameno ny arabe ;
-Ireo toerana ahitana takelaby 3 zoro, na inona na inona heviny ;
-Ireo toerana fiantsonan'ny fiara na fiara-karetsaka.
Mila mailo hatrany, mijery ny manodidina ary mampiasa "klaxon" raha ilaina. Ho an'ireo mpitondra kodiarandroa manokana, "obligatoire" ny fanaovana aroloha, na ho an'ny mpitondra na ny olona entina.
Fanentanana manokana
Noho ny lozam-pifamoivozana maromaro izay namoizana aina mpitondra kodiarandroa, nandray fepetra manokana ny zandarimaria sy ny "Direction Générale de la Sécurité Routière".
Ho fisorohana ny lozam-pifamoivozana ho an'ny Kodiarandroa àry, hisy fampianarana sy fanentanana ny sabotsy 11 may, amin'ny 2 ora tolakandro, eny amin'ny Foibe Fitsarana Fiarakodia By-Pass. Entanina avokoa ireo mpitondra kodiarandroa rehetra eto Antananarivo sy manodidina hanatrika izany.