Biby saika haondrana any Grèce : Naterina any amin’ny toerana manokana, arahin’ny manam-pahaizana maso
Isan’ireo mandray an-tanana ny fanadihadiana ilay tera-tany Israelianina, vao tratra omaly teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, saika hanondrana biby an-tsokosoko, ny ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy.
Haverina any anaty ala
Misy karazany 3 ireo biby arovana tratra tao anaty entan’ity tera-tany vahiny ity, dia sokatra, bibilava ary tanalahy. 8 no zana-tsokatra, amin’ilay karazany « Pyxis arachnoides » ny 6 ary amin’ilay karazany « Pelusios subniger », na soka-drano, ny roa. Samy tafiditra ao anatin’ny tovana I amin’ny Fifanarahana momba ny varotra iraisam-pirenena mikasika ireo karazana biby sy zavamananaina atahorana ho lany tamingana (Annexe I CITES) izy ireo. Io tovana I io dia mitanisa ny lisitr’ireo zavamananaina dia, efa ahiana ho lany tamingana ka mila fiarovana, noho izany, raràna ny manondrana sy mivarotra azy ireo. Nisy bibilava miisa 4 ihany koa tamin’ireo saika haondrana an-tsokosoko ireo, ka « Sanzinia » volontany ny iray, izay tafiditra ao anatin’ny tovana I an’ny fifanarahana CITES ihany koa ; amin’ilay karazany « Stenophis » kosa ny 3. Nahitana tanalahy miisa 23 ihany koa, amin’ny karazany « Calumma nasutum », « Calumma gallu », « Calumma brevicorne », « Furcifer willsii » ary « Calumma parsonii ». Noraisin'ny Turtle Survival Alliance (TSA) an-tanana avy hatrany ireo sokatra mba hanaraha-maso ny fahasalamany, mialohan'ny hamerenana azy ireo any amin'ny toerana niaviany. Ireo biby ambiny kosa dia naterina amin’ny toerana manokana misy mana-pahaizana amin’ny fikarakarana azy ireo ary tsy maintsy haverina any anaty ala.
Laharana maitso 955
Raha tsiahivina dia saika handray ny sidina Ethiopian Airlines ity tera-tany israelianina ity, no tra-tehaky ny Fadintseranana tao amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato, omaly 6 mey 2024. Nafenina tao anaty entana misy sary sikotra sy asa-tanana vita malagasy izany ary any Grèce no saika hitondrany ireto biby ireto. Raha atotaly dia biby miisa 31 no nokasainy haondrana an-tsokosoko. Niantso ny fandraisan’andraikitry ny rehetra, amin’ny fanaraha-maso ny sisin-tanin’i Madagasikara, ny tale Jeneralin’ny Fadintseranana malagasy. Manomboka any amin’ireo olona monina eny amin’ny manodidina ny faritra misy ireny zava-boahary voaaro ireny, hoy izy, dia tafiditra ao anatin’ny rohin’andraikitra avokoa. Ny ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy kosa dia manainga ny olom-pirenena mba hiantso ny laharana maitso 955, raha mahatsikaritra fitrandrahana an-tsokosoko ny harena voajanahary, hahafahana mandray fepetra haingana. Mandray an-tanana ny fanaovana fanadihadiana ity teratany vahiny ity moa ny Ministeran’ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy ary ny Fadintseranana, aorian’izay dia hatolotra ny fitsarana io lehilahy israelianina io.