• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © La Balise
Image
Vaovao

Ankizin’ny lalana : Tombanana ho 23.000 isa izy ireo eto Antananarivo Renivohitra

15/04/2024 12:01 © Moov.Mg

Raha misy sokajin’olona tena voahosihosy zo, dia ireo ankizin’ny lalana. Mihamitombo isa hatrany anefa izy ireny, raha ny zava-misy tsikaritra eny anivon’ny fiarahamonina eny.

Mandova ny lalana

Tombanana ho 23.000 any ho any ny isan’ireo ankizy tsy manan-kialofana, na ankizin’ny lalana, ao anatin’ireo Boriborintany enina eto Antananarivo Renivohitra, raha ny fanadihadiana nataon’ny Vovonana miantsehatra amin'ny fiarovana ny zon'ny ankizy, na ny PFSCE, tamin’ny taona 2015. Heverina fa nihamaro ireo ankizy ireo hatramin’io taona nanaovana io fanadihadiana io no nankaty. Raha ny tatitry ny PFSCE hatrany, dia misy amin’ireo ankizy ireo no mba manana fianakaviana ihany, fa misy ireo tena irery, mirenireny eny rehetra eny. Ny sasany ihany koa dia mba manana trano hisitrihana ihany rehefa tonga ny alina, fa mandritra ny tontolo andro kosa izy no mandany ny fotoanany eny an-dalambe eny. Misy amin’izy ireo no vao haingana no lasa ankizin’ny lalana, fa misy kosa ireo tsy mahalala fiainana hafa mihitsy, fa nandova ny lalana hatramin’ny vao teraka.

Miharitra herisetra

Raha ny fanadihadiana nataon’ny PFSCE dia avy amin’ny Faritra maro eto Madagasikara izy ireo : manodidina an’Antananarivo, Fandriana, Mahajanga, Antsirabe, Ambatondrazaka, Toliara… Antony maro ihany koa no nahatonga azy ireo ho lasa ankizin’ny lalana. Misy amin’izy ireo no nitsoaka ny herisetra nihatra taminy tao an-tokantrano, fa ny ankamaroany kosa dia mitady izay hamelomany ny tenany sy hanampiany ny ray aman-dreniny, izay tsy mahavita mikarakara sy mamelona azy ireo araka ny tokony ho izy. Rehefa eny an-dalana eny anefa ireny ankizy mpirenireny ireny, dia matetika ihany koa no mbola iharan’ny herisetra, toy ny fanolanana, ny halatra ary indrindra ny fanilikilihan’ny fiarahamonina. Ireo zo fototra tokony hositrahan’ny ankizy moa dia tsy mba sitrahan’izy ireo. Isan’izany ny fahafahana misakafo, mianatra, manana kopia nahaterahana, ary mazava ho azy, ny trano fialofana.

Manana nofinofy

Te hiova fiainana, ka tsy te hiaina eny an-dalana intsony, ny ankamaroan’ireo ankizin’ny lalana. Maniry mafy ny mba hiaina ao anaty fandriampahalemana izy ireny. Tsy te ho haratsiana sy tsy te ho ailikiliky ny mpandalo intsony koa. Ho fanampiana ireo ankizy ireo hahatanteraka ny nofinofiny, dia misy ny fandaharanasa tontosain’ireo mpikambana ao amin’ny Vovonan’ny firaisamonim-pirenena misahana ny ankizy, ny tetikasa Sandratra, ny kaominina Antananarivo Renivohitra, ny Ministera isan-tsokajiny, ny Tahirin’ny Firenena Mikambana ho an’ny Ankizy (UNICEF) ary ny orinasa Colas. Izany dia ho fiaraha-misalahy, hitadiavana vahaolana ho an’ireo ankizin’ny lalana, mba hisitrahan’izy ireo fanabeazana sy tolotra ara-tsosialy. Marihina isaky ny 12 aprily moa ny andro iraisam-pirenena ho an’ny ankizin’ny lalana.

Lire la suite

Articles Similaires