• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Fanolanana : Pasitera iray karohina

10/04/2024 09:03 © Midi Madagasikara

Navoakan’ny zandarimaria izay misahana ny vondrom-pileovana ao Miarinarivo ny fampahafantarana fikarohana.

Pasitera iray no tadiavina eto amin’ny firenena noho ny fanolanana. Ankizivavy 16 taona no voakasik’izany raha araka ny hita eo amin’ny taratasin’ny zandary. Tao amin’ny kaominina Manazary no azo heverina fa nanatontosany ilay herisetra ara-nofo. Tsy mbola misy ny fanampim-baovao mahakasika ity raharaha ity saingy ny azo eritreretina satria mateti-pitranga dia olona ao anaty fitandremany ihany no mety io nahodiny io. Isan’andro tato ho ato dia misy hatrany ny raharaha fanolanana izay notaterina an-gazety.

Vao ny faran’ny herinandro lasa teo koa izao no nisy talen-tsekoly izay nosamborina noho ny herisetra ara-nofo izay nataony tamin’ny ankizivavy iray hanala fanadinana Cepe amin’ity taona ity. Voasambotra itsy voalohany ary efa nidoboka am-ponja mandram-piandry ny fitsaràna azy. Raha ny zava-misy aloha hatreto dia mbola betsaka ny tsy mahazo an-tsaina ny sazy hihatra amin’ny mpanolana matoa mbola misy ihany ny manao izany.

Mbola misy angamba ny mieritreritra fa alamina fotsiny ny ray aman-drenin’ny zaza rehefa tratra dia adino ny dosie. Tsy izany velively fa na iretsy farany aza dia azon’ny lalàna enjehina koa noho ny firaisana tsikombakomba raha toa ka manafina. Etsy ankilan’izay, efa miandry ny didy fampiharana avy amin’ny governemanta sisa ny mahakasika ny famosirana dia manan-kery tanteraka ny lalàna vaovao momba izany.

Lire la suite

Articles Similaires