• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Raharimanana Patrick
Image
Vaovao

Biraon’ny fananan-tany Antananarivo Avaradrano : Nandray fepetra hiadiana amin’ny kolikoly

18/01/2024 14:05 © Moov.Mg

Nahoraka tao ho ao ilay raharaha fanodinana sy fangalarana tany tao Isahafa, kaominina Sabotsy Namehana, Distrikan’Antananarivo Avaradrano, Faritra Analamanga. Nahavoasaringotra anaran’olona ambony izany tranga izany no sady nandoto ny sehatry ny fananan-tany, amin’ny ankapobeny. Efa ela no nampimenomenona ny olona maro ny momba ny fananan-tany eto Madagasikara, ankoatra io olana goavana nitsinkafona farany io.

Afaka manatona ny « Sefo »

Manoloana ny olana re etsy sy eroa, dia namoaka fepetra ny Biraon’ny fananan-tany Antananarivo Avaradrano, ka manomboka izao dia afaka manatona ny « Sefo » rehetra misy eo amin’ity sampan-draharaha ity izay olompirenena rehetra manana fitarainana momba ny mpiasa (agent). Tsy maintsy hazavain’ny Mpikajy ny fananan-tany, an-taratasy avokoa, ny antony mahatara ny « traitement », na ny fizarana ny fanamarinana fananan-tany na CSJ (Certificat de situation juridique), ka soniavin’ny mpiasa sy ny mpitaraina miaraka izany. Nomarihin’ity filazana ity moa fa 15 andro ihany no faharetan’ny « traitement » an’ny CSJ ary 2 volana kosa ny « dossiers ».

Atao peta-drindrina

Miezaka mametraka ny mangarahara eo amin’ny fanatanterahana ny asa ataony ity sampan-draharaha ity, ka manomboka izao ihany koa dia hatao peta-drindrina avokoa, isaky ny alatsinainy voalohan’ny herinandro, ny antontan-taratasy rehetra miala ao amin’ny sampan-draharaha Avaradrano sy izay efa vita rehetra. Izay tsy nahita ny peta-drindrina dia afaka manaraka izany ao amin’ireo birao telo misy ao an-toerana. Tanjona amin’izao fanapahan-kevitra izao ny ady amin'ny kolikoly sy fanamorana ny fifandraisana eo amin'ireo olona manan-draharaha ao an-toerana sy ireo mpiasa.

Lire la suite

Articles Similaires