• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Prm
Image
Vaovao

Politika ankapoben’ny Fanjakana : Ireo praograman’asa nofaritan’ny Filoham-pirenena

18/01/2024 12:16 © Moov.Mg

Natolotra, nandritra ny Filan-kevitry ny Minisitra, notarihin’ny Filoha Andry Rajoelina, omaly, ny Politika ankapoben’ny Fanjakana (PGE). Ny politikam-pampandrosoana izay nentin’ny Filohan’ny Repoblika nanomboka ny 2019 no tohiziny ao anatin’izao fotoam-piasana faharoany izao, izay voafehy ao anatin’ireo « Velirano 13 ». Mivadika ho programan’ny Governemanta izany, izay miankina amin’ny andry 3.

Tombontsoan’ny besinimaro

Raha tsiahivina izany andry 3 lehibe iompanan’ny politika ankapoben’ny Fanjakana izany dia ny loharanon-karena mifototra amin’ny maha-olona, ny fampiroboroboana ny indostria sy ny fanodinana ara-toekarena ary ny fahaiza-mitantana. Tanjona laharam-pahamehana kosa ny fampihenana ny fahantrana sy ny fanatsarana ny fahefa-mividy. Miankina amin’ny fananana Fanjakana afaka mitantana amin’ny fomba mahomby, afaka manabe, mitsabo, miaro, ary mampifandray ny vahoaka ao aminy ny fampandrosoana, izany hoe : mikatsaka ny tombontsoan’ny besinimaro, hoy ny tatitry ny filàn-kevitry ny minisitra. Be loatra ny hantsana eo amin’ireo manan-katao sy ireo olona sahirana, ka izany no tsy azo anekena raha mbola misy olona alaim-panahy hikatsaka ny tombontsoany manokana ka handika lalàna.

Loharanon-karena mifototra amin’ny maha-olona

Laharam-pahamehana fototra ny lafiny maha-olona amin’ity fe-potoam-piasana faharoa ity, araka ny tatitry ny filàn-kevitry ny minisitra, ka ho voakasika ao anatin’izany ny fanabeazana, ny fahasalamana, ny fiarovana ara-tsosialy sy ny fanatanjahantena. Ho hatsaraina ny tahan’ny fidirana an-tsekoly, ampianarina asa ny tanora, tohizana ny fanomezan-danja ny fampianarana ambony ka mpampianatra avy eto an-toerana sy avy any ivelany no hampianatra amin’ireo oniversite vaovao izay vao natsangana. Eo amin’ny lafiny fahasalamana, hisokatra sy hiodina ao anatin’ny fotoana fohy ireo hopitaly miisa 30 (hopitaux de référence), tsy maintsy hapetraka any amin’ny renivohi-paritany miisa 6 ny fitaovam-pitiliana ny homamiadan’ny nono sy ireo “scanners” miisa 10. Hotohizana ny fitsaboana mitety vohitra ary hitarina hatrany amin’ny CSB II ny fandraisana an-tanana ny fitsaboana vonjy aina na ny “fonds d’urgence médicale”. Voaresaka tao anatin’ny fiahiana ara-tsosialy ny fanitarana ny haraton’aina amin’ireo tokantrano tena sahirana sy ny fananganana ny tanàna sy tanànakely ao anatin’ny tetikasa “Ankohonana Miarina” manerana an’i Madagasikara. Momba ny Fanatanjahantena dia nisongadina ny tsy maintsy hananganana ny « académie nationale des sports de haut niveau ».

Fampiroboroboana ny indostria

Ny famokarana eto an-toerana ny zavatra ilain’ny mponina andavanandro no tanjona. Hapetraka, araka izany, ny sehatra hijerena ireo fepetra ara-ketra, ara-padintseranana sy ara-panjakana samihafa, izay tsy mamono ny mpandraharaha. Hotohizana ny fanomezana milina fitrandrahana ara-indostrialy ao anatin’ny “ODOF” (One District, One Factory). Hotohizana ihany koa ny tetikasa “Fihariana”. Etsy an-daniny, manoloana ny firoborobon’ny teknôlôjia dia hapetraka ny paikady rehetra hisarihana ny mpampiasa vola liana amin’ireo sehatr’asa ara-teknôlôjika. Eo amin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany dia tanjona ny hanondranana ara-dalàna volamena hatrany amin’ny 15 taonina isan-taona. Miaraka amin’izay dia hapetraka ny ozinina fanadiovana volamena, mba hahafahana manamarin-toerana ny vola Malagasy. Momba ny fambolena indray dia atao laharam-pahamehana ny famokarana vary, mba hahatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Hiantohana ihany koa ny fiarovana ny fananan-tany ho an’ny tantsaha, amin’ny alalan’ny fizarana kara-tany. Eo amin’ny sehatry ny angovo, hiditra amin’ny dingan’ny fananganana ny fanamboarana ny foibe famokarana herinaratra avy amin’ny rano, ao Volobe sy Sahofika ary ho tafapetraka alohan’ny 26 jona 2024 ny “parcs solaires” miisa 47 manerana ireo distrika hisitraka izany.

Fahaiza-mitantana sy Fanjakana tan-dalàna

Laharam-pahamehana ny fitandroana ny filaminana, ka hotohizana ny fanavaozana ho moderina sy matihanina ny tafika an-tanety, an’habakabaka, ary an-dranomasina. Mila Fitsarana mafy, madio tsy andairan’ny kolikoly ary azon’ny rehetra itokisana ihany koa ny fahombiazan’ny ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana, ka hotohizana ny fametrahana ireo tribonaly maro manerana ny Nosy. Tsy maintsy saziana mafy ny mpanodinkodina volam-panjakana, ary dingana ialana amin’ny kolikoly ny famadihana ara-haitao ara-kajy mirindra ny fanomezana ireo taratasim-panjakana ilain’ny vahoaka. Mila manana laharana manokana (identifiant unique) avokoa ny olompirenena tsirairay mba hanamorana ny fisitrahana izany. Eo amin’ny lafiny tontolo iainana, tsy maintsy havadika ho vokatra azo tsapain-tanana ny vina hamboly hazo amin’ny velaran-tany 40.000 hektara isan-taona.

Anjaran’ny Governemanta moa no mamadika ho praograma fanatanterahana izany politika ankapoben’ny Fanjakana nofaritan’ny Filohan’ny Repoblika izany.

Lire la suite

Articles Similaires