• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mpianatra Malagasy Eto Rosia
Image
Vaovao

Mpianatra misitraka vatsim-pianaran’ny CONABEX : Misy efa vita fianarana nefa mbola tavela any Rosia

17/01/2024 10:11 © Moov.Mg

Solon-tenan’ny mpianatra maromaro any Rosia no nandefa hafatra tao anaty pejy Facebook itambaran’ireo mpianatra malagasy manovo fahalalana any an-toerana, miantso ny Fitondram-panjakana mba hijery azy ireo. Misedra olana maromaro mantsy ireo mpianatra ireo, izay nisitraka ny vatsim-pianaran’ny CONABEX.

Tsy nisitraka vatsim-pianarana

Raha ny nambaran’ireto mpianatra ireto dia efa nanomboka tamin’ny taom-pianarana 2021-2022 sy 2022-2023 izy ireo no tsy nandray vatsim-pianarana intsony, nefa efa taom-pianarana 2023-2024 no itsahina amin’izao. Tena ilaina amin’ny fiainana andavanandro nefa izany vatsim-pianarana izany, hoy ny fanazavan’ireto mpianatra any Rosia ireto, toy ny fanefana ny saram-piantohana (assurance), fanavaozana ny « visa » sy ny maro hafa. Zon’ireo mpianatra tokony hisitraka izany avy amin’ny CONABEX, ny hahazo ny vatsim-pianarana nifanarahana, izay mitentina 250 dôlara (1 140 000 Ar eo ho eo) isan-taona, isan’olona. Nahare siosion-dresaka moa ireo mpianatra ireto fa noesorina tao anatin’ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana 2024 izany vatsim-pianarana izany, ka angatahan’izy ireo ny hamerenana izany indray sy ny handoavana izany isan-taona, araka ny tokony ho izy.

Tsy manana saram-piaramanidina

Misedra olana ihany koa ireo mpianatra efa nahavita fianarana, satria tsy tafody noho ny tsy fanananana vola atao saram-piaramanidina. Misy amin’izy ireo no efa nahavita fianarana tamin’ny volana jona 2023, ka efa tokony hody ary efa lany ny « visa ». Efa tsy mipetraka amin’ny trano natokana ho an’ny mpianatra malagasy any an-toerana intsony koa izy ireo, noho izany. Raha ny taratasy natao sonia rahateo, hoy ireto mpianatra ireto, dia ny Fanjakana Malagasy no miantoka ny fodian’ireo izay nahavita fianarana, ka miandry ny « billet de rapatriement » avy amin’ny Fanjakana izy ireo. Manoloana ireo olana rehetra ireo dia mbola tsy nisy ny fanavana azon’ireto mpianatra any Rosia ireto. Miantso ireo tomponandraikitra mba hamaha izao olana izao faran’izay haingana izy ireo.

Lire la suite

Articles Similaires