• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Programme Defis
Image
Vaovao

Faritra Anôsy : Mahavita miatrika ny kere ireo mpamboly nahazo rano enti-mamokatra

16/01/2024 17:35 © Moov.Mg

Ny volana desambra taona 2018 no nanombohan’ny tetikasa DEFIS (Programme de développement de filières agricoles inclusives). Faritra 8 any amin’ny tapany Atsimon’i Madagasikara no iantefan’ny fandaharan’asa, ka isan’izany ny Faritra Anôsy.

Tohana ho an’ny fambolena

Ireo tantsaha no isan’ny nisitraka ny tohana avy amin’ny fandaharan’asa DEFIS, ka ho an’ny Faritra Anôsy manokana dia isan’ny niompanana ny famatsiana rano, mba hahafahan’ireo mpamboly mamokatra. Araka ny nambaran’Andrianaritiana Pierrot Serge, mpandrindram-pirenen’ny fandaharan’asa, dia efa maro amin’ireo tantsaha no misitraka rano ampiasaina amin’ny famokarana. Misy amin’izy ireo no mampiasa ny vovo, tohodrano, na koa fitehirizan-drano ambanin'ny tany. Tany am-piandohan’ny fandaharan’asa dia tanjona napetraka ny hanorenana fanovozan-drano miisa 300 isa sy fitehirizan-drano ambanin’ny tany 50 isa, any amin’ireo Faritra valo iasan’ny fandaharan’asa DEFIS. Tafiditra ao anatin’izany ireto efa tanteraka any amin’ny Faritra Anôsy ireto. Nisy ihany koa, niaraka tamin’izany, ireo tohana hafa, toy ny fanomezana masomboly mahazaka hain-tany, ho an’ireo mpamboly.

Hampiharina amin’ny Faritra hafa

Noho ny tohana avy amin’ity tetikasa ity dia tsikaritra fa nahavita niatrika kokoa ny kere ireo mpamboly. Araka izany, nahomby ny fampiharana ny tetik’asa fampisitrahana rano, raha ny tany amin’ny Faritra Anôsy manokana. Kendrena ny hanaparitaka izao teknika sy paikady nahitam-pahombiazana izao any amin’ny Faritra hafa. Raha ny tanjona napetraky ny fandaharan’asa DEFIS rahateo dia Tokantrano miisa 320.000, monina any amin’ny tontolo ambanivohitra, no nokendrena hahazo tohana momba ny fanatsarana ny fidiram-bola sy ny fanjariantsakafo. 10 taona no faharetan’ity tetikasa ity. Amin’izao fotoana izao, raha ny fanazavan’ny mpandrindram-pirenen’ny fandaharan’asa, dia 100.000 isa no efa nisitraka ny tohana avy amin’ny DEFIS.

Lire la suite

Articles Similaires