• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Météo Madagascar
Image
Vaovao

Toetr’andro : Ho betsaka ny rotsak’orana, indrindra any avaratra andrefan’i Madagasikara

16/01/2024 14:11 © Moov.Mg

Hahazo vahana ny tsiokan’ny talio mandritra ny andro maromaro eto Madagasikara, noho ny fisian’ny rahom-baratra ao avaratra andrefan’ny Nosy. Hisy oram-baratra mitsitokotoko saika manerana ny Nosy, ankoatra ny ilany atsimo andrefana sy atsimo, izay ho maina amin’ny ankapobeny. Mila miomana amin’ny habetsaky ny rotsak’orana, araka izany ny rehetra.

Hiditra an-tanety rahalina

Raha ny sary hita amin’ny zana-bolana, hoy ny mpamantatra ny toetry ny andro, Lovandrainy Ratovoarisoa, dia nanomboka androany maraina no nikasika ny morontsiraka avaratra andrefan’ny Nosy ity rahom-baratra any amin’ny tapany Avaratra andrefan’i Madagasikara ity. Hikisaka miantsinana ny foiben’ity andian-drahona ity, ka hipaka amin’ny faritr’i Melaky anio alina. Vokatr’izay fidirany an-tanety haingana izay dia tsy ahiana firy ny hitomboany hery ho lasa andro ratsy, na rivo-doza. Na izany aza dia arahi-maso akaiky izy ity. Manoloana izany dia tombanana ho betsaka ny rotsakorana ka ahiana ny tondra-drano amin’ny faritra maro any amin’ny tapany avaratry ny Nosy, ato anatin’ny 2 na 3 andro manaraka.

Mikorontana ny ranomasina

Misy, noho izany, ny fampitandremana miloko mena momba ny habetsaky ny rotsak’orana, ho an’ny morontsiraka avaratra andrefan’i Madagascikara, any amin’ny faritra Boeny, Sofia, DIANA ary ny tapany avaratra amin’ny Faritr’i Melaky. Tombanana hiitatra miantsinana izy io. Ho an’ny Faritra Betsiboka, Alaotra-Mangoro, Analanjirofo sy ny distrikan’i Toamasina I sy II dia mbola fampitandremana miloko mavo aloha no azony, saingy manomboka anio alina na rahampitso dia mety hivadika ho fampitandremana miloko mena ihany koa izany. Araka ny fanamarihan’i Lovandrainy Ratovoarisoa dia oram-baratra tsotra aloha hatreto no entin’ity rahom-baratra ity, fa somary matanjatanjaka kosa anefa. Mampikorontana tanteraka ny ranomasina any amin’ny tapany avaratra andrefan’i Madagasikara izany. Misy, etsy an-daniny, ny alondrano ateraky ny talio na ny rivotra avy any andrefana, arahina tafiotra, izay mitondra onjan-dranomasina hatrany amin’ny 3,5m. Misy ihany koa ny fampitandremana momba ny haavon’ny alondrano, manomboka any amin’ny tanjona Bobaomby ka hatrany amin’ny morontsiraky ny Faritra Melaky.

Lire la suite

Articles Similaires