• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Malagasy Tv
Image
Vaovao

Andriamananoro Augustin : Hisokatra amin’ny rehetra ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina

16/01/2024 12:55 © Moov.Mg

Misokatra amin’ny ankolafin-kery rehetra ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina. Nivoitra izany nandritra ny fandraisan’Andriamananoro Augustin, ny toerana maha-minisitra vao voatendry azy, androany maraina.

Tontosa ny famindram-pitantanana

Notanterahina androany, teny amin’ny ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina Anosy, ny fifamindram-pitantanana teo amin’ny minisitra mpisolo toerana, Rahantanirina Gabriella Vavitsara, sy ny minisitra vaovao, Andriamananoro Augustin. Fisaorana ireo mpiara-miasa taminy rehetra, nandritra ny volana vitsy nitantanany ny ministera, no vontoatin’ny lahatenin-dRahantanirina Gabriella Vavitsara. Notolorany fisaorana ihany koa Rakotondrazafy Lalatiana, izay minisitra nitazona io toerana io nandritra ny ampahany betsaka tamin’ny fotoam-piasana voalohan’ny Filoha Andry Rajoelina. Betsaka mantsy ny dingana vita fony nitantanany ny ministera, toy ny fampidirana ny Kabary sy ny Hiragasy ho isan’ny Harem-bakoka tsy azo tsapain-tanan’ny Zanak’olombelona.

Tsy vaovao amin’ny serasera

Andriamananoro Augustin kosa dia nanipika ny maha-tsy vaovao azy amin’ny fitantanana ny departemantan’ny serasera. Notsiahiviny fa departemanta, tao anatin’ny ny ministeran’ny fifandraisan-davitra izay notantanany, tamin’ny fotoanan’ny tetezamita, ny mikasika ny serasera. Nambarany, ankoatra izay, fa hatao ho fitaratra ity Ministera ity eo amin’ny kalitaon’ny asa. Manana anjara toerana goavana eo amin’ny fanatanterahana ny vinam-piarahamonina napetraky ny filoham-pirenena mantsy ny Ministeran’ny Serasera, hoy izy, satria ahafahana mandrindra sy mampiray ireo andry telo ijoroan’ny fampandrosoana, dia ny fanomezana vahana ny maha-olona, ny fametrahana ny indostria, ary ny Fanjakana tan-dalàna sy tsara tantana.

Fampandrosoana anaty fihavanana

Araka ny nambaran’Andriamananoro Augustin hatrany dia anjara andraikitry ny Ministera vao nahavoatendry azy ny famitranana ny efa rava. Eo amin’ny sehatra politika, dia nolazainy fa sedran’ny demôkrasia ny tsy fitovian-kevitra sy ny ratra napetraky ny tantara teo aloha. Miantso ny rehetra izy, noho izany, mba hijery ny tombontsoan’ny firenena, fa tsy ny an’ny antoko na ny an’ny tsirairay, ka hiaraka hiatrika ny fampandrosoana an’i Madagasikara tanindrazana iombonana. Izany rehetra izany, raha ny antso nataony, dia hotanterahina ao anatin’ny fihavanana sy ny fahamarinan-toerana ary ao anatin’ny fifankatiavana. Araka izavy, nanome toky ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina vaovao, fa hisokatra amin’ny rehetra, na inona na inona lafin-kery sy fomba fijery, mba hiara-midinika izay mahasoa ny firenena.

Lire la suite

Articles Similaires