• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov.Mg
Image
Vaovao

Minisitra Max Fontaine : Efa nandroso tetikasa mitondra vokatra haingana sy azo tsapain-tanana

15/01/2024 16:49 © Moov.Mg

Tontosa androany, teny amin’ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Lovainjafy (MEDD) eny Antsahavola, ny fifamindram-pitantanana eo amin’ny minisitra teo aloha sy ny minisitra vao voatendry. Nivoitra tamin’izany ny finiavan’ny roa tonta ny hanohy hatrany ny fiaraha-miasa ao anatin’ny ady iombonana ho fiarovana ny tontolo maitso.

Tanora dimbiasin’ny tanora

Tsy vaovao eo amin’ny sehatry ny tontolo iainana i Max Andonirina Fontaine, izay vao voatendry hitantana ny MEDD. Isan’ny nanangana ny orinasa sôsialy Bôndy izy, izay misehatra indrindra amin’ny fambolen-kazo. Efa niara-niasa tamin’ny Ministeran’ny Tontolo Iainana hatramin’izay, araka izany, ity minisitra vao 28 taona monja. Samy nampahatsiahy ireo tetikasa efa niarahan’izy ireo nanatanteraka, na izy tenany, na ny minisitra teo aloha, Vina Marie-Orléa, nandritra ny fifamindram-pitantanana teo amin’ny roa tonta. Nandritra ny fandraisam-pitenenany rahateo dia naneho ny fahatokisany ny minisitra vao voatendry ity farany. « Tanora dimbiasin’ny tanora », hoy izy namintina azy.

Vonona hiara-hiasa

Raha tsiahivina fohy dia nandritra ny 659 andro andro no nitantanan’i Vina Marie-Orléa ny MEDD, rehefa nandimby ny minisitra teo aloha, Raharinirina Baomiavotse Vahinala ny tenany. Nambarany fa efa niseharany hatramin’izay ny momba ny tontolo iainana, ka rehefa tapitra hatreo ny fotoam-pitantanany ny ministera, dia mivoaka miaraka amin’ny fahavononana sy ny faharesen-dahatra bebe kokoa izy ary nitombo avo folo heny ny hery entiny mikatroka ao anatin’izany sehatra izany. Mbola naneho ny fahavononany hiara-hiasa amin’ny Minisitra Fontaine Max Andonirina rahateo izy, noho ny traikefa efa nananany sy amin’ny maha-zoky vavy azy. Tetsy an-daniny kosa, ny minisitra vaovao dia nilaza ny hanohy ny asa efa natomboky ny teo aloha. Efa nisy, hoy izy, ireo tetikasa efa narosony, fony nandalo ny fitsapana sy ny adina teo anatrehan’ny Filoham-pirenena sy ny Praiminisitra ny tenany ary tsy maintsy hotanterahina izany. Tanjona ny hitondrana vokatra haingana sy azo tsapain-tanana, tena mipaka amin’ny vahoaka Malagasy, hoy hatrany i Fontaine Max Andonirina.

Lire la suite

Articles Similaires