• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Fintim-baovao : Ireo vaovao nisongadina ny 8 hatramin'ny 14 janoary 2023

15/01/2024 13:14 © Moov

Atolotra anao androany ireo vaovao nisongadina ny 8 hatramin'ny 14 janoary 2023

Niverina nafana indray ny raharaha politika eto amin'ny firenena noho ny fanendrena ireo mpikambana vaovao ao amin'ny Governemanta, tarihan'i Christian Ntsay. Tsy adino kosa nefa ireo vaovao ara-tsosialy, koltoraly, ekonomika sy fanatanjahantena.

Governemanta # Fanendrena ireo mpikambana vaovao

Notanterahina omaly alahady 14 janoary ny fanononana tamin'ny fomba ofisialy ny anaran'ireo minisitra vaovao. Nomarihan'ny Filoham-pirenena tsara fa mihoatra ny 500 ireo CV voaray, ary nanano sarotra tokoa ny sivana. Nandalo "test" avokoa ireo minisitra, hahazoana toky mialoha ny fahaiza-manao sy fahaiza-mitarika. Miisa 27 ireo voatendry, ka misy amin'izy ireo no efa mpikambana tamin'ny governemanta teo aloha ihany. Teo no ho eo ihany izy ireo dia nanao fianianana tsirairay, nanome toky ny vahoaka Malagasy fa hampandroso ny firenena ka hametra-pialana avy hatrany raha tsy mahatanteraka ny andraikitra ankinina aminy. Anisan'ny teboka lehibe ihany koa ny tsy fanaovana kolikoly sy ny fahavononana ny amin'ny sazy mifandraika amin'izany raha toa ka azon'ny fakam-panahy.

Max Fontaine # Minisitra tanora indrindra

"Omena sehatra ny tanora" : Fanambin'ny filoham-pirenena izany. Vao 28 taona monja i Max Fontaine, minisitry ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy. Ampy traikefa tokoa nefa ny tenany satria efa fantatra tamina tetikasa mikasika ny tontolo iainana ny tenany. Mpanorina sy mpiandraikitra ny "Bondy" ny tenany, orinasa misehatra amin'ny fandrakofana ala an'i Madagasikara. Anisan'ny maha-velombolo ny tanora malagasy ny fahitana azy hitazona toerana ambony, indrindra mamporisika ireo mpianatra mba handranto fahalalana araka izay tratra.

Conjonctivite # Miparitaka eto Antananarivo

Raha tany Mahajanga no tena nahitana olona maro voan'ny conjonctivite bactérienne, efa tonga eto Antananarivo ny valan'aretina. Noho ny fifamezivezena sy ny loto no tena mahatonga izany. Efa maro no voa eto an-drenivohitra ary ireo ankizy no tena lasibatra, noho izy ireo tsy mahatandrin-tena firy amin'ny fahadiovana. Noho izany indrindra, tsy azo atao intsony aloha ny famoriam-bahoaka. Entanina kosa ireo manana olana tsy dia mahazatra firy amin'ny maso mba hanantona toeram-pitsaboana avy hatrany.

12 janoary # Andron'ny Manamboninahitra

Nomarihana ny zoma 12 janoary lasa teo ny Andron'ny Manamboninahitra. Efa fanao isan-taona moa izany. Raha tsiahivina, ny andron'ny 12 janoary 1967 dia nanao fitakiana ireo Mpianatra ho Manamboninahitra Andiany Voalohany (AINA) tao amin'ny Akademia Miaramila ao Antsirabe, ny mba hanatsarana ny fiainan'izy ireo ao amin'ny Sekoly. Nanomboka teo ka mandrak’androany dia nanjary lasa soatoavina ho an'ny Manamboninahitra rehetra ny datin’ny 12 janoary, ho fahatsiarovana io fitakiana io.

Fanolanana # Tsy mitsaha-mitombo ireo olona voasaringotra

Sady marary no mahamenatra ny resaka fanolanana eto Madagasikara. Hatramin'ny faran'ny herinandro teo dia tranga 18 sahady no noraisin'ny fitsarana an-tanana, tamin'ity taona 2024. Raha ny lalàna velona eto Madagasikara dia mbola azo enjehina ny trangana heloka bevava, toy ny fanolanana, ao anatin'ny 10 taona taorian’ny nisian’ilay tranga. Marihana fa mitovy ny sazy miandry ny mpanolana sy ny olona nanandrana nanolana, araka ny voalazan'ny andininy faha-332 ao amin'ny fehezan-dalàna famaizana.

Rivodoza Alvaro # Mitohy ny fanampiana ireo niharan-doza

Mitohy hatrany ny asan'ny BNGRC, manoloana ny takaitra navelan'ny fandalovan'ny rivodoza Alvaro. Ny tapany atsimo atsinanan’ny Nosy no tena tra-pahavoazana be indrindra tamin’izany. Mavesatra ny antontan’isa teo amin’ireo namoy ny ainy, satria dia nahatratra 19 izany, raha ny antontan’isa ôfisialy, ka ny 4 tany Beroroha, 3 tany Manakara, 1 tany Vohipeno, 1 tany Manja ary 10 tany Ikongo. Maherin'ny 6 600 ny isan’ireo trano dobo-drano.

Tily eto Madagasikara # 100 taona

Hosokafana ny sabotsy 27 janoary ho avy izao ny fankalazana ny faha-100 taonan'ny Tily eto Madagasikara. Fanompoampivavahana no ho tanterahina amin'izany, eny amin'ny Lapan'ny Kolontsaina sy ny Fanatanjahantena. Skoto Tily maherin’ny 5 000 isa no andrasana ho avy mandritra izany. Hitohy amin’ny hetsika « Foaraben’ny Tily » izany, izay hanehoan’ireo skoto ny talentany sy ny fahaizany.
Hisy ihany koa ny lasy lehibe, izay ho tanterahina ny 1 hatramin’ny 5 aogositra 2024, any Fihaonana Andranovelona, distrikan’Ankazobe.

FFKM # Ny filohan'ny FLM no mpitantana vaovao

Tontosa omaly alahady 14 janoary tao amin'ny FJKM Katedraly Analakely ny famindram-pahefana teo amin'ny filohan'ny FJKM sy ny filohan'ny FLM. Ny pastora Dr Denis Rakotozafy, mpitarika ny FLM, no filoha vaovaon'ny FFKM. Marihana moa fa miova mpitantana isan-taona ny FFKM, ka ireo filoham-piangonana 4 mpikambana no mifandimby mitondra.
Niara-niombom-bavaka tamin'ny FFKM ireo olona ambony eto amin'ny firenena, raha tsy hilaza afa-tsy ny filohan'ny Antenimierampirenena, Christine Razanamahasoa.

Lire la suite

Articles Similaires