• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov.Mg
Image
Vaovao

Les Orchidées Blanches : 200.000 Ar isam-bolana ny fandaniana ho an’ny olona iray manana fahasembanana

15/01/2024 10:57 © Moov.Mg

Mitana anjara toerana lehibe eo amin’ny fanabeazana ireo ankizy manana fahasembanana ny centre médicoéducatif Les Orchidées Blanches eny Androhibe. Hotanterahina amin’ity taona 2024 ity ny fanamarihana ny faha-50 taona niforonany.

Mianatra mahaleo tena

Satria ankizy sy tanora miavaka ireo raisina an-tanana eo anivon’ny Les Orchidées Blanches eny Androhibe, dia tsy mitovy amin’ny mahazatra ihany koa ny fandaharam-pianarana arahan’izy ireo. Ankoatra ireo taranja mahazatra, izay ampifanarahana amin’ny maha-izy azy ny ankizy, dia misy ihany koa ny fanofanana arak’asa omena ireo tanora raisina an-tanana ao. Misy, ohatra, ny fianarana manamboatra tsaoka, manamaina sakafo, mamboly legioma… Ny fampahaleovan-tena ireo ankizy no tena tanjona lehibe indrindra, manomboka amin’ny fisakafoanana irery, fiakanjoana irery, ka hatramin’ny fampidirana azy ireo hiasa. Tao anatin’izay 50 taona nijoroana izay anefa dia am-polony eo ihany no mbola voaray hiasa eny anivon’ny orinasa isan-karazany, izay efa miroso amin’ny Fandraisana andraikitra ara-piarahamonina sy ara-tsosialy (RSE). Vitsy ihany izany, raha toa ka manodidina ny 1 200 isa no efa noraisin’ny Les Orchidées Blanches an-tanana, saingy efa fandresena foana izany, hoy Andrianarivony Faralalao, mpandrindra ity ivon-toerana ity.

Ankizy « trisomiques » sy « autistes »

Amin’izao fotoana izao dia 115 isa ireo voasoratra anarana ao amin’ny centre médicoéducatif Les Orchidées Blanches. 3 taona ny zandriny indrindra amin’izy ireo ary 60 taona ny zokiny indrindra, izay efa nobazina sy noraisina an-tanana ara-pahasalamana tao amin’ny ivon-toerana, hatramin’ny nijoroany. Misy amin’izy ireo no « trisomique » ary misy ihany koa no « autiste ». Araka ny fanazavan’Andrianarivony Faralalao dia manodidina ny 200.000 Ar isam-bolana ny fandaniana ho an’ny ankizy iray taizaina eo amin’ity ivon-toerana. 30.000 Ar eo ho eo ihany anefa no vola alaina amin’ireo ray aman-dreny, ka ny fanohanan’ireo mpiara-miombon’antoka sy malala-tanana no mameno azy. Na ireo efa tafiditra miasa eny anivon’ny orinasa aza dia mbola mahazo tohana avy amin’ny Les Orchidées Blaches hatrany, ka mbola miverina eny Androhibe isaky ny sabotsy. Tsy misy kilasy mandry moa ao an-toerana mba ho fampandraisana andraikitra ireo Ray aman-dreny ihany koa. Manana fiara roa ny ivo-toerana, miantoka ny fivezivezen’ireo ankizy.

Lire la suite

Articles Similaires