• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Micc
Image
Vaovao

Vary simba eto Toamasina : Nandefa taratasy eny amin’ny ministera ireo mpanafatra vary

14/01/2024 06:18 © Midi Madagasikara

Fomba fiasa hafa no nataon’ireo mpanafatra vary eto Toamasina, izay saika tera-tany “indo-pakistanais” izy ireo, nilazany ny antony mahatonga ireo vary sasany simba tonga eto Toamasina sy hamparitaka manerana ny Nosy. Araka ny taratasy nataon’izy ireo izay nilazany ny olana sedrainy teny anivon’ny ministeran’ny Varotra sy ny indostria, “lettre de contestation”, dia noho ny fikatonan’ny ranomasina mena noho ny ady eo amin’ny Israeliana sy ny Palestiana, ka nihetsehan’ny firenena Yemenite izany izay nampikatona ny ranomasina mena noho ireo daroka baomba misy, dia tsy maintsy miova lalana ireo sambo mpitondra ny vary anaty kaontenera, ka miteraka hamandoana goavana izany izay miteraka fahasimban’ny vary sasany hoy ireo mpanafatra. Mitaraina vokatra izany ireto mpanafatra vary araka ny taratasy nataon’izy ireo fa hiaran’ny antsonjay ataon’ny mpitandro ny filaminana izy ireo, ka lasa olon-dratsy mihitsy no heverana azy ireo ao anatin’izany, hoy izy ireo araka ny taratasy nataony. Nambarany hatrany fa tsy ny vary rehetra ao anaty kaontenera no simba fa ny sasany ihany, noho io halavirana tsy maintsy andehanana io, nefa tsy hamelan’ireo mpitandro ny filaminana raha tsy ny vary nafarana rehetra no potehina sy dorana. Miangavy ny ministera ireo mpanafatra vary handinika ny toe-draharaha mihatra amin’izy ireo, mba hisorohana ny toe-javatra mety hitranga any aoriana. Sonia maro be no nanaraka ity taratasy nataon’ireto mpanafatra vary natao ho an’ny ministera varotra sy ny indostria ity.

Lire la suite

Articles Similaires