• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Infocom Seg
Image
Vaovao

Andron’ny Manamboninahitra : Fanatanjahantena, fiarahana miala voly… no nanamarihan’ny Foloalindahy azy

12/01/2024 17:29 © Moov.Mg

Toy ny fanao isan-taona, isaky ny 12 janoary, dia nomarihina androany ny andron’ny manam-boninahitra. Toerana maro manerana ny Nosy no nankalazana ity andro lehibe ho an’ny Foloalindahy ity ary fomba maro ihany koa no nentina nanamarihana izany.

Niainga tamin’ny fitakiana

Raha tsiahivina, ny andron'ny 12 janoary 1967 dia nanao fitakiana ireo Mpianatra ho Manamboninahitra Andiany Voalohany (AINA) tao amin'ny Akademia Miaramila ao Antsirabe, ny mba hanatsarana ny fiainan'izy ireo ao amin'ny Sekoly. Nanomboka teo ka mandrak’androany dia nanjary lasa soatoavina ho an'ny Manamboninahitra rehetra ny datin’ny 12 janoary, ho fahatsiarovana io fitakiana io. Saika nanamarika ity andro androany ity taminny alalan’ny fanatanjahantena avokoa ireo foloalindahy, tany amin’ny toerana nisy azy avy. Fomba fanao, amin’ny andron’ny manamboninahitra ihany koa ny fanoloran’ireo zandry gisa ho an’ireo zokiny, na ilay antsoina hoe : « oies traditionnelles ».

Fitokanana kianja

Raha ho an’ny teo anivon'ny Foibe Fibaikoana ny Zandarimariam-pirenena, izay niarahan'ny Manamboninahitra Zandary rehetra teto Antananarivo, dia famohaza-mandry vao mangiran-dratsy, famoriana sy fanolorana ny gisa, fanatanjahantena niraisana narahana soradihy ary fiaraha-miala hetaheta no nandravaka ny tapany maraina. Nofaranana amin'ny fiaraha-misakafo ara-pirahalahiana ny fankalazana. Nifanojo tamin’ity andro lehibe ity koa ny fitokanana ny “MDN STADIUM” Betongolo, izay isan’ireo fanamby napetraka teo anivon’ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena. Kianja manara-penitra ho an’ny taranja baolina kitra lalaovin’olona 7 izy io, miampy kianja ho an’ny taranja “Basket-ball” lalaovin’olona 3. Araka ny nambaran’ny Jeneraly Rakotoarijaona Josoa, Minisitry ny Fiarovam-pirenena, dia hisokatra ho an’ny rehetra izany kianja izany, indrindra ho an’ny tanora, mba hironan’izy ireo amin’ny fialamboly ara-panatanjahantena. Tonga nanome voninahitra ity fotoana ity ireo tomponandraikitry ny Fiarovana avy ao amin’ny Masoivoho amerikana, Masoivoho frantsay ary ny Masoivoho sinoa miasa sy monina eto Madagasikara.

Fiarahaban’ny Filoha sy ny Praiminisitra

Teny amin’ny Lapan'i Mahazoarivo indray dia nanotrona ny lanonana teo ambany fitarihan’ny « Bataillon de Sécurité de la Primature » ny praiminisitra lehiben’ny Governemanta, Ntsay Christian. Niarahaba manokana ireo Manamboninahitra ity farany ary nisaotra azy ireo tamin'ny fandraisana andraikitra sy ezaka rehetra vita. Fifanintsanana ara-panatanjahantena ary korana ara-pirahalahina no nanohizana sy namaranana ny fotoana. Fa tsy nanadino ny niarahaba ireo Manamboninahitra ihany koa ny filoha Andry Rajoelina, tamin’ity 12 janoary 2024 ity. Nampahatsiahiviny fa andraikitr’ireo manam-boninahitra ao anatin’ny Foloalindahy, ny fitandroana ny fiandrianam-pirenena sy ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany. Nanolo-tena ho an’ny firenena ianareo, hoy izy, ka tokony haka ny fepetra rehetra mba hahafahana miatrika ireo ambana rehetra iainan’ny vahoaka.

Lire la suite

Articles Similaires