• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov.Mg
Image
Vaovao

Taona vaovao : Nizara hafaliana ho an’ireo ankizy beazin’ny « Les Orchidées Blanches » ny Telma

12/01/2024 15:34 © Moov.Mg

« Telma Mizara Hafaliana », io no hetsika voalohany notanterahin’ny Telma Madagascar tamin’ity taona vaovao 2024 ity. Tanjon’ny hetsika ny hanatonana ny vahoaka malagasy rehetra sy ny tsy anilihana na iza na iza, ka nosafidiana, ho an’ny androany, ny fiarahana mifaly amin’ireo olona manana fahasembanana teny amin’ny ny Centre médicoéducatif Les Orchidées Blanches eny Androhibe.

Mizara ny soa

Zava-dehibe ho an’ny orinasa Telma Madagascar ny fanakaikezana ny vahoaka. Noforonina, araka izany ny Hetsika « Telma Mizara Hafaliana », mba hanatonana bebe kokoa hatrany ny olona sy hizarana ny soa, araka ny fanazavan’i Zo Ny Riantsoa Rabefitia, tomponandraikitry ny serasera eo anivon’ity orinasa ity. Ny zoma 5 volana janoary lasa teo ny andiany voalohany tamin’ny hetsika, izay nizarana kojakoja (goodies) ho an’ny olona sendra ny Telma teny an-dalam-be rehetra teny. Narahina fampisehoana hiragasy, natao teo anoloan’ny Telma Shop 67Ha izany. Ho an’ny androany kosa dia nitsidika ny ivon-toeram-panabeazana ireo olona manana fahasembanana, « Les Orchidées Blanches » eny Androhibe ny Telma ary teny no nifampizara hafalina tamin’ireo beazina sy ireo mpanabe.

Fiaraha-miasa

Miisa 110 mahery ny ankizy, tanora sy olon-dehibe manana fahasembanana ka mahazo tohana ara-pitsaboana sy ara-panabeazana ao amin’ity ivon-toerana ity. Ny fampahaleovan-tena azy ireo, araka izay tratra, no tena tanjona, hoy Andrianarivony Faralalao, Mpandrindra ny Centre médicoéducatif Les Orchidées Blanches. Anjara biriky noraisin’ny Telma, ho fanohanana azy ireo, ny fanolorana kojakoja azon’izy ireo ampiasaina amin’ny andavanandro, toy ny kitapo sy trosy. Efa nisy ihany koa ny tohana nentin’ny Fondation Axian, izay vondrona iray ihany amin’ny orinasa Telma Madagascar, tamin’ny fametrahana tanim-pambolena voankazo sy legioma ao amin’ity ivon-toerana ity. Mbola ho hatsaraina hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta, araka ny fanazavana azo, ary eo an-dalam-pamaritana izay sehatra rehetra azo iaraha-miasa.

50 taona

Mankalaza ny faha-50 taonany amin’ity taona 2024 ity moa ny centre médicoéducatif Les Orchidées Blanches eny Androhibe. Efa santatry ny fankalazana sahady ny androany, hoy Andrianarivony Faralalao, satria maneho fa manana anjara, tahaka ny olona rehetra, ny olona manana fahasembanana. Nitohy tamin’ny fiarahan’ireo mpiasan’ny Telma nilalao tamin’ireo ankizy beazina ao amin’ny ivon-toerana ny fizarana hafaliana. Naneho ny talentany tamin’ny fampisehoana soradihy ho an’ny Telma Madagascar kosa ireo ankizy, ho fanehoany ny hafaliany.

Lire la suite

Articles Similaires