• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mi-Tily Sary
Image
Vaovao

Tily Eto Madagasikara : 100 taona nanabeazana zazalahy ho olom-banona

01/01/1970 14:59 © Moov.Mg

« Mandehana amin’izao herinao izao ka tanteraho ny fanompoanao », izany no teny faneva entin’ny skoto Tily Eto Madagasikara mankalaza ny tsingerin-taona faha-100 nijoroany. Hosokafana ny sabotsy 27 janoary ho avy io izany fotoam-pankalazana izany.

Namolavola olomanga

Ny gazetim-panjakana tamin’ny 3 janoary 1925 no ahitana ny didim-pitondrana nivoaka ny 20 desambra 1924, izay mamaritra ny fahazoan-dalana sy ny fiorenan’ny fikambanana « Eclaireurs unionistes de France » teto Antananarivo. Izy io no loharano nipoiran’ny Tily eto Madagasikara. Taty aoriana ny skoto zazalahy protestanta, avy amin’ireo fiangonana FJKM, FLM, EEM, METM, FMTA, dia nanjary nitondra ny anarana Tily eto Madagasikara. Marobe ny olona efa novolavolain’izany fikambanana izany nandritra izay 100 taona nijoroany izay. Isan’izany ny Profesora Albert Rakoto Ratsimamanga, izay isan’ny nobeazina voalohany tao anatin’ny fikambanana. Raha fintinina tsotsotra dia manabe ny lafiny maha-olona rehetra ny Tily, araka ny fanekena fanaon’izy ireo milaza hoe : « hanompo an’Andriamanitra, hiasa ho an’ny Tanindrazana sy ny namana ary hanoa ny lalàna Tily ».

Hetsika maro karazana

Hosokafana amin’ny fanompoam-pivavahana, hotanterahina ao amin’ny Lapan’ny Kolontsaina sy ny Fanatanjahantena Mahamasina, ity fankalazana ny faha-100 taona niforonan’ny Tily eto Madagasikara ity, ny sabotsy 27 janoary izao. Skoto Tily maherin’ny 5 000 isa no andrasana ho avy mandritra izany. Hitohy amin’ny hetsika « Foaraben’ny Tily » izany, izay hanehoan’ireo skoto ny talentany sy ny fahaizany. Hisy hetsika tahaka izany ihany koa hatao any amin’ireo Faritany Tily hafa manerana ny Nosy sy any Eoropa. Misy, ankoatra izay, ny hetsika isan-karazany efa omanina, manerana ireo faritany Tily miisa 30 manerana an’i Madagasikara, ho fanampiana ny mpiara-belona sy ho fiaraha-mifaly. Eo an-dalam-panomanana ihany koa ny lasy lehibe, izay hotanterahina ny 1 hatramin’ny 5 aogositra 2024, any Fihaonana Andranovelona distrikan’Ankazobe. Anasana ireo Tily rehetra manerana ny Nosy sy any Eoropa, na beazina, na mpiandraikitra, hatramin’ny mpanohana sy ny Tily tranainy izany.

Vonona hatrany hatrany

Ary satria moa mirongatra amin’izao fotoana izao ny areti-maso mora mifindra, dia manaraka akaiky ny fivoaran'ny toe-draharaha ny Tily eto Madagasikara, araka ny foto-pisainana hoe : "Vonona hatrany hatrany", hoy izy ireo. Araka izany, efa mivonona amin’ny fandraisana ny fepetra ara-pahasalamana rehetra ho fisorohana, mandritra ny fikarakarana io fotoan-dehibe io ny Tily, araka izay fepetra avoakan'ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka. Homarihina mandritra ity taona ity iray manontolo ny fankalazana ny faha-100 taonan’ny Tily eto Madagasikara, ka ny 20 desambra 2024 no fotoam-pamaranana. Amin’io fotoana io dia hisy ny famoahana boky mirakitra ny tantaran’ny Tily eto Madagasikara.

Lire la suite

Articles Similaires