• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ministeran'Ny Fitsarana
Image
Vaovao

Mirongatra ny fanolanana : Tranga 18 sahady no niakatra fampanoavana tamin’ity taona 2024 ity

11/01/2024 17:04 © Moov.Mg

Vao manomboka ny taona dia efa hananika ny 20 sahady ny trangana fanolanana niakatra teny amin’ny Fampanoavana eny amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany eny Anosy. Ho hentitra, manoloana izany, ny fitsarana, araka ny nambaran’ny Tonia Mpampanoa Lalàna.

Asa an-terivozona

Raha ny lalàna velona eto Madagasikara dia mbola azo enjehina ny trangana heloka bevava, toy ny fanolanana, ao anatin'ny 10 taona taorian’ny nisian’ilay tranga. Mitovy ihany koa ny sazy miandry ny mpanolana sy ny olona nanandrana nanolana, araka ny voalazan'ny andininy faha-332 ao amin'ny fehezan-dalàna famaizana. Samy asa an-terivozona avokoa izany. Asa anefa na tsy fahafantarana ny lalàna, na entin’ny zava-mahadomelina, na tsy mahafehy filàna tsotra izo, fa dia mirongatra izay tsy izy ny herisetra ara-nofo eto amintsika. Raha ny nambaran’ny Ministeran’ny Fitsaràna dia trangana fanolanana miisa 515 no niakatra teo anivon’ny Fampanoavana tamin’ny taona 2023. Hatramin’ny androany 11 janoary 2024 kosa dia efa nisy 18 sahady izany trangana herisetra ara-nofo izany no nandalo teo anivon’ny Fampanoavana. Mbola tsy ampy taona ny 2 tamin’ireo voampanga ho nanao fanolanana ireo. 17 taona ny iray, izay voalaza fa nanolana ankizivavy 9 taona ; 14 taona kosa ny iray, izay voampanga ho nanolana zaza 5 taona. Efa samy nalefa eny amin'ny mpitsara miandraikitra ny fitsarana ny zaza tsy ampy taona avokoa ireto raharaha ireto.

Zaza tsy ampy taona

Ho an’ny androany manokana dia lehilahy miisa 2, izay voarohirohy ho nanolana zazavavy latsaky ny 15 taona, no nandalo teo anatrehan'ny fampanoavana. 24 taona ny iray amin'ireo, izay nanolana zazavavy 13 taona. Araka ny fantatra dia hitan’io lehilahy io nirenireny teny Antohomadinika ity zazavavy ity, ka nentiny nody tany an-tranony, ny alin'ny 08 janoary lasa teo. Nalefa eny amin'ny ivon-toerana "AVOKO" Ambohidratrimo moa ilay zazavavy, noho izy tsy manana fianakaviana. 19 taona kosa ilay lehilahy iray niakatra Fampanoavana androany, izay voarohirohy ho nanolana zazavavikely 12 taona teny Saropody Tanjombato, tamin'ny taona lasa. Mitaky ny famonjàna ireo lehilahy ireo any amin'ny Fonjaben'i Tsiafahy ny Fampanoavana ary nilaza ny tsy handefitra amin'ny mety ho fangatahana fahafahana vonjimaika, araka ny nambaran-dRakotoniaina Narindra Navalona, Tonia Mpampanoa Lalànan'ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany. Tsiahivina ihany koa fa nanambara ny Filoham-pirenena, nandritra ny kabary nataony tamin’ny voalohan’ny taona, fa hasiana fanamboarana ny lalàna efa misy, ka ho henjana kokoa ny sazy homena ireo mpanao heriseetra ara-nofo.

Lire la suite

Articles Similaires