• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Cua
Image
Vaovao

Fanariana fako eto Antananarivo : nampahatsiahy ireo tsy azo ariana eny amin’ny dabam-pako ny CUA

11/01/2024 14:40 © Moov.Mg

Mbola maro amin’ny mponin’Antananarivo renivohitra no tsy mahalala ny fitsipika sy ny fandaminana momba ny fanariana fako. Nanaitra ny maro, noho izany ny filazan’ny avy eo anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA), fa ireo voasokajy ho fakon-dakozia « ordures ménagères » ihany no azo ariana eny amin’ny dabam-pako iombonana eny. Nitondra fampahafantarana sy fampahatsiahivana momba izany ny CUA.

Fakon-dakozia ihany

Nolazain’ny CUA fa nanafintohina ny mpandraoka fakon’Antananarivo ny nahita kovetan-gabone sy rantsan-kazo avy nokapaina nariana teny amin’ny fitoeram-pako. Somary nahatohina ny olona ny fampahatsiahivana nentin’ny CUA, niaraka tamin’izany, ka hanatonga ny mponin’Antananarivo nametra-panontaniana hoe : atao aiza izany ireo tsy tafiditra ao anatin’ny fakon-dakozia ? Nanazava bebe kokoa ny tokony atao, noho izany ny CUA androany, sady nanararaotra nampahafantatra ny andininy faha-16 ao amin’ny "Fehezam-pitsipika monisipaly misahana ny fikoloam-pahasalamana", ho an’izay tsy mahalala izany. Voalazan’io andininy io fa ny fako mivaingana, fotaka, amany na diky ary vongana zavatra mafy, amin'ny ankapobeny, dia taterin’ny tompony mankany amin'ny fitobiam-pako.

Eny Andralanitra

Tafiditra ao anatin’ireo fako tsy azo ariana eny amin’ny dabam-pako ireo ihany koa ny baoritra, taratasy, ny fako azo avy amin’ny fanatanterahana asam-barotra, ny poti-javatra avy amin’ny toeram-pitsaboana sy ny orinasa mpanodina ary ny poti-javatra mety hanimba ny fahasalamana, araka ilay andininy faha-16 io hatrany. Eny Andralanitra ny fitobiam-pako hanariana ireo karazam-pako ireo. Azo atao koa ny mampanary izany an’izay orinasa miandraikitra ny fako, na sampandraharaha misahana ny fanadiovana. Misy taratasy fenoina raisina eny amin'ny sampandraharaha misahana ny fanadiovana ny fako (SMA) eny Nanisana rehefa hanao izany ary fandraisana anjara kely aloa. Raha tsiahivina ihany koa, araka ity "Fehezam-pitsipika monisipaly misahana ny fikoloam-pahasalamana" ity, ao amin’ny andininy faha-14, dia eo anelanelan’ny amin’ny 4 ora hariva hatramin’ny 8 ora alina no fotoana tokony hanarian’ny isan-tokantrano ny fakony. Mahavoasazy ny tsy fanajana io fetr’ora io. Ny fandoroana ny fako amin’ny fomba rehetra indray dia voarara, raha tsy nahazoana alalana avy amin’ny CUA, araka ny andininy faha-15.

Lire la suite

Articles Similaires