• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Afafi-Sud
Image
Vaovao

Tsifanjariantsakafo any atsimon’i Madagasikara : Iompanan’ny AFAFI-Sud ny fampisitrahana rano ireo mponina

11/01/2024 10:51 © Moov.Mg

Tsy manome trondro fa manome fintana. Izay, raha tsorina ny andraikitra sahanin’ny tetikasa AFAFI-Sud, ho fanohanana ireo olona tratran’ny tsifanjariantsakafo any amin’ny tapany atsimon’ny Nosy. Hifarana amin’ny volana martsa izao ity tetikasa ity, fa mbola mitohy ny asa mandrapahatonga izay fotoana izay.

Misedra fiovaovan’ny toetr’andro

Tsy miompana amin’ny fizarana fanampiana fotsiny ny tetikasa AFAFI-Sud, araka ny fanazavan’i Herinirina Irma, mpandrindra iraisam-paritry ny AFAFI-Sud. Mamantatra ny olana misy eny ifotony, izay mitarika ny tsifanjariantsakafo ny tetikasa ary mitondra ny vahaolana mifandraika amin’izany. Raha tsiahivina, ny fandaharanasa AFAFI-Sud dia miasa any amin’ny Faritra Androy, Anôsy sy Atsimo Atsinanana, izay Faritra telo tena misedra ny tsifanjariantsakafo. Ny Vondrona Eoropeana no mamatsy vola azy. 5 taona ny faharetan’ny tetikasa AFAFI-Sud, niantomboka tamin’ny taona 2019 ary mifarana amin’ity taona 2024 ity. Misedra olana, amin’ny ankapobeny, ny fambolena sy fiompiana amin’ireo Faritra ireo, noho ny fiovaovan’ny toetr'andro izay miteraka fihenan’ny rotsak’orana sy hain-tany.

Paompin-drano sy toho-drano

Isan’ny tanterahin’ny AFAFI-Sud, araka izany, mba hiadiana amin’ny tsifanjariantsakafo, ny fampisitrahana rano fisotro madio ireo mponina. Nisy ny fanamboarana ireo paompin-drano efa nisy tany an-toerana, saingy simba. Nisy ihany koa ny fanorenana paompin-drano vaovao. Miisa 112 izany fotodrafitrasa famatsiana rano fisotro madio, nijoro tao anatin’ny tetikasa AFAFI-Sud izany. Nampiana tosika ihany koa ny rano entin’ireo tantsaha mamokatra, ka naparitaka tamin’izy ireo ny « kits de système de micro-irrigation » na SMI, izay mandeha amin’ny herin’ny masoandro, mba ahafahan’ireo tantsaha mandonaka ny tany amboleny. Miisa 224 izany fitaovana izany no sitrahan’ireo mponina any Androy sy Anosy. Vahaolana fohy ezaka ihany anefa izany, fa ny vahaolana lavitra ezaka dia ny fametrahana toho-drano madinika, izay ho azon’ireo mpamboly ampiasaina ao anatin’ny fotoana maharitra. Nisy tamin’izany ny fanamboarana ny simba ary misy ihany koa ny fanamboarana toho-drano vaovao, izay mitohy amin’izao fotoana izao.

Lire la suite

Articles Similaires