• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov.Mg
Image
Vaovao

Tsy fandriampahalemana any Ankazobe : Nalevina androany ilay Ben’ny tanàna novonoin’ny dahalo

10/01/2024 18:12 © Moov.Mg

Mba velom-pananatenana ireo mponina ao amin’ny distrikan’Ankazobe, Faritra Analamanga, noho ny fanatanterahan’ny Tafika fampandrian-tany any an-toerana. Na izany aza anefa, nitrangana vono olona ihany tany amin’iny Distrika iny ny alahady lasa teo. Nalevina androany tolakandro ilay Ben’ny tanàna namoy ny ainy tamin’izany.

Vono olona feno habibiana

Ben’ny tanànan’Andranomiely Atsimo, ao amin’ny distrikan’Ankazobe, ity maty novonoin’ny dahalo ity. Tamin’ny alahady 7 janoary lasa teo no nitrangan’izany. Ny tolakandron’io nahafaty azy io dia nisy ny fiofanana, izay niantsoan'ny Lehiben'ny kaomandin'ny Zandarimaria avy ao amin'ny tobim-paritra Ankazobe, ny olona feno 18 taona no ho mihoatra rehetra tao an-tanàna. Ny alin’io ihany anefa, tokony ho tamin’ny 10 ora, no tonga ireo dahalo nanafika. Avy teo amin’ny varavarankely no nidiran’ireto dahalo ireto tao an-tranon’ilay Ben’ny tanàna, ka enin-dahy no tafiditra amin’ny efitrano fandrian’ny Ben’ny tanàna sy ny vadiny. Notifirin’izy ireo in-droa ilay Ben’ny tanàna raha vao nihetsika, hoy ny fianakaviany. Voa teo amin’ny tratrany sy ny kibony izy. Avy eo dia mbola nokapakapain’ireo tsy mataho-tody tamin’ny famaky ny lamosiny, mandrapahatapitry ny ainy. Noteren’izy ireo hamoha ny tsenany avy eo ilay ramatoa vadin’ny Ben’ny tanàna ary nasainy namoaka ny vola rehetra. Taorian’izay dia noraofin’ireo dahalo izay entana rehetra zakan’izy ireo.

Tsy nahomby ny fanarahan-dia

Saika hitsoaka ilay ramatoa, mandrapandraokan’ireo dahalo ny entana, saingy efa nisy dahalo marobe niandry tao ivelany, hoy hatrany ny fitantaran’ireo fianakaviana. Nikasa ny mbola hanafika ny trano lehibe izay nifanila tamin’ny tranon’ny Ben’ny tanàna ireto jiolahy, saingy nisy miaramila tao, izay nitifitra ka nahavoa ny iray tamin’izy ireo. Raha mbola variana namonjy ilay namany ireo dahalo dia tafatsoaka ilay ramatoa vadin’ny Ben’ny tanàna. Nisy ihany ny fanarahan-dia ireo mpanafika, taorian’ny fialan’izy ireo tao an-tanàna, saingy tsy nahaovoka ny mpanara-dia, satria nampitahotra tamin’ny fitaovam-piadiana mahery vaika ireo olon-dratsy. Raha ny fitantaran’ireo fianakaviana dia tavela tao amin’ilay tsenan’ny Ben’ny tanàna izay norobain’ireo dahalo ny fitaovan’izy ireo sasany sy ny finday anankiray. Efa eny am-pela-tanan’ny zandary izany, ka miandry izay mety ho tohin’ity raharaha ity ireo olona akaiky ny maty. Miangavy ny manam-pahefana isan-tokony moa ireto farany, mba hanao izay fomba rehetra hisorohana ny fiverenan’ny tranga toy izao.

Lire la suite

Articles Similaires