• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Pixabay
Image
Vaovao

Sedra iainan’ireo olona manana fahasembanana : Fampahaleovan-tena ara-bola no vahaolana

01/01/1970 15:14 © Moov.Mg

Mavesatra ny sedra iainan’ireo olona manana fahasembanana eto Madagasikara, amin’ny andavanandro, na ny ara-pahasalamana, na ny momba ny fanabeazana, na ny eo amin’ny lafiny herisetra. Ireo ankizivavy no tena mizaka ny mafy, araka ny fanadihadiana nataon’ny Tahirin’ny Firenena Mikambana ho an’ny ankizy (UNICEF).

Fanadihadiana ankizy 100

Araka ireo antontan’isa maro samy hafa dia ny 7,5 % hatramin’ny 15 % n’ny Malagasy no manana fahasembanana. Raha ny fanadihadiana isam-bondrona mahasahana tondro marolafy (MICS) tamin’ny taona 2018, dia ny 10 % ny ankizy 2 hatramin’ny 5 taona no manana fahasembanana ary mahatratra 14 % izany taha izany ho an’ireo zaza 5 hatramin’ny 17 taona. Ankizy miisa 100 miparitaka amin’ny faritany 6, kaominina an-drenivohitra 6 sy kaominina ambanivohitra miisa 6 ihany koa no nanatanterahana ity fanadihadiana ity. Manana fahasembanana ny 50 tamin’ireo ankizy ireo ary tsy manana fahasembanana ny 50. Nisy ihany koa ny fanontaniana napetraka tamin’ireo mpisehatra ara-tsosialy, ara-pitsaboana, eo amin’ny sehatry ny fampianarana, sy ny maro hafa, ka nahafahana namariparitra ireo olana tena mianjady amin’ny ankizy manana fahasembanana sy ireo tokony hatao hanatsarana ny fiainan’izy ireo.

Fanararaotana, fahasalamana tsizarizary…

Nivoitra tamin’io fanadihadiana io, ohatra, fa iharan’ny herisetra sy ny fanararaotana kokoa ireo ankizy manana fahasembanana, raha mitaha amin’ireo namany. Ny 24,11% no nilaza ho niaina izany, raha toa ka 17,67% io taha io, ho an’ny ankizy tsy manana fahasembanana. Eo amin’ny lafiny fanabeazana indray, ny 44,05%-n’ireo ankizy miaina miaraka amin’ny fahasembanana nanaovana ny fanadihadiana no mba voasoratra an-tsekoly raha toa ka miakatra ho 69,72% izany, ho an’ireo tsy manana fahasembanana. Eo amin’ny lafiny ara-pahasalamana dia ny 66,6% amin’ireo zaza 12 hatramin’ny 35 taona manana fahasembanana no tsy nahavita tanteraka ireo vaksiny fototra fanao amin’ny zaza. Eo amin’ny lafiny fotodrafitrasa, tena mbola betsaka ny ezaka tokony hotanterahina. Ny 3,51%, amin’ireo toerana falehan’ireo ankizy mahazatra ihany, ohatra, no manana ireny lalana natokana ho an’ny olona manana fahasembanana ireny, na ilay antsoina hoe : « rampe d’accès ».

Politikam-piahiana ara-tsôsialy

Ohatra ihany ireo, amin’ireo sedra atrehin’ireo ankizy malagasy manana fahasembanana, amin’ny andavanandrom-piainany. Afaka manova ny lamin’ny rafitry ny politikam-piahiana ara-tsôsialy eto Madagasikara ny Fanjakana, hoy ny UNICEF, ka manangana rafitra misandrahaka sy mahasahana ny rehetra, indrindra ho an’ireo olona manana fahasembanana. Kendrena indrindra ny fampahaleovan-tena ara-bola ireo olona manana fahasembanana. Fomba iray izany hamongorana ny fanilikilihana, ny fanambaniana sy ny fanararaotana ary ny herisetra mahazo azy ireny. Ny fahazoan’ireo ankizy miaina miaraka amin’ny fahasembanana fanabeazana feno sy sahaza, ny fahafahany mitsabo tena ara-dalàna, no lalana ahatongavana amin’izany, miampy ny fisokafan’ny tsenan’ny asa amin’izy ireo miaraka amin’ny karama mifanaraka amin’ny asa ataony. Tsy ho vesatry ny fiarahamonina izy ireo, raha izany no tanteraka.

Lire la suite

Articles Similaires