• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Primature
Image
Vaovao

Governemanta vaovao : Ho fantatra amin’ny faran’ny herinandro ny anaran’ireo mpikambana

10/01/2024 11:22 © Moov.Mg

Efa nandrasan’ny maro, hatramin’ny fotoana nahatafapetraka an’i Andry Rajoelina teo amin’ny toerana maha-filohan’ny Repoblika azy, ny fitsanganan’ny Governemanta voalohany ao anatin’ity fotoam-pitondrana faharoany ity. Ho tanteraka amin’ny faran’ny herinandro izao izany, araka ny fampitam-baovaon’ny Fiadidiana ny Repoblika.

CV an-jatony maro

Raha tsiahivina dia ny 4 janoary lasa teo no nanendren’i Andry Rajoelina an’i Ntsay Christian, ho Praiminisitra indray, ao anatin’izao fotoam-pitondrany vaovao izao. Taorian’izay dia nilaza izy fa ho hentitra ny fisafidianana ireo ho minisitra handrafitra ny governemanta. Nisy ny antso fahalinana niantefa tamin’ireo izay maniry ny handray izany andraikitra izany. Raha ny tsilian-tsofina re dia aman-jatony maro ireo antontan-taratasy voaray. Efa nirosoana ihany koa ny dinidinika natao tamin’ireo voafantina sy ny fitsapam-pahaizana, mba hahafantarana raha hahavita hitazona ny ministera noeritreretiny hotantanina ilay olona. Dingana nolazain’ny filoham-pirenena fa tsy maintsy lalovana ireo, ankoatra ny fianianana, izay tsy maintsy hataon’ireo izay voatendry ho minisitra ihany koa.

Fanjakana tsara tantana

« Anisan'ny mason-tsivana ny haitarika, ny mari-pahaizana sy ny traikefa, fa indrindra tsy maintsy olom-pirenena vonona hanompo ny vahoaka ary hikatsaka ny tombontsoan’ny firenena sy ny soa iombonana no hotendrena », hoy ny fanamafisana avy amin’ny talen’ny serasera sy ny fifandraisana eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika. Araka ny fampitam-baovao hatrany dia rahampitso alakamisy 11 janoary 2024 no hanolotra amin'ny Filohan’ny Repoblika ireo tolo-kevitra avy aminy ny Praiminisitra, momba ireo heveriny fa ho afaka hitazona ny anjara andraikitry ny minisitra. Ny faran’ny herinandro izao kosa no hahafantarana ireo mpikambana eo anivon’ny Governemanta vaovao. Izao fomba fiasa izao moa dia tafiditra ao anatin’ny fametrahana Fanjakana tsara tantana, amin’ny alalan’ny fanavaozana ny rafi-pitantanana ny asam-panjakana sy ny ady amin’ny kolikoly, hoy ny fiadidiana ny Repoblika.

Lire la suite

Articles Similaires