• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Toliara Roso
Image
Vaovao

Fandalovan’ilay andro ratsy Alvaro : Mananika ny 20 isa ny olona namoy ny ainy

09/01/2024 17:36 © Moov.Mg

Mihamavesatra hatrany ny antontan’isa momba ireo fahavoazana vokatry ny fandalovan’ilay andro ratsy Alvaro teto Madagasikara, raha ny tatitra voaray avy amin’ny Birao Nasionaly misahana ny Fitantanana ny Loza sy ny Tandindondoza (BNGRC). Efa mananika ny 20 ny isan’ireo olona namoy ny ainy noho ity andro ratsy ity.

Antontan’isa mavesatra

Raha ny tatitra ôfisialy navoakan’ny BNGRC tamin’ny 3 ora tolakandro, androany 9 janoary 2024, dia nampitondra takaitra isan-karazany tany amin’ny Distrika maro teto Madagasikara ilay andro ratsy Alvaro. Ny tapany atsimo atsinanan’ny Nosy no tena tra-pahavoazana be indrindra tamin’izany. Mavesatra ny antontan’isa teo amin’ireo namoy ny ainy, satria dia nahatratra 19 izany, raha ny antontan’isa ôfisialy, ka ny 4 tany Beroroha, 3 tany Manakara, 1 tany Vohipeno, 1 tany Manja ary 10 tany Ikongo. Etsy an-daniny, marobe ireo mponina traboina ankehitriny, satria mahatratra 32 897 isa izy ireo. Ny 16 717 isa tamin’ireo no voatery nafindra any amin'ireo toerana fandraisana traboina vonjimaika.

Fananana rava

Ankoatra ny aina nafoy dia maro ihany koa ny fananana rava, na dia tsy mbola tonga teo amin’ny hery maha-rivo-doza azy aza i Alvaro (Forte Tempête Tropicale). 6 616 no isan’ireo trano dobo-drano, 426 no simba ary 242 no rava tanteraka. Isan’ny nitondra takaitra ihany koa ny sekoly, satria efitranon-tsekoly 59 no tsy misy tafo intsony ary 15 no nahitana fahasimbana hafa. Teo amin’ny lafiny fambolena dia tanimbary 3 250 ha no dobo-drano ary 3 ha kosa no tototry ny fasika. Ahiana moa ny hiforoanan’ny andro ratsy indray amin’ny faran’ity herinandro diavina ity, ka dieny izao dia efa mila miomana ny rehetra, mba hisorohana ny loza, raha toa ka mitombina ny vinavinan’ireo mpamantatra ny toetry ny andro.

Lire la suite

Articles Similaires