• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Senvh
Image
Vaovao

Tetikasa MIAMI : Miandry ny fifantenana ny orinasa hitantana azy, dia hisokatra tanteraka

09/01/2024 15:42 © Moov.Mg

Hisokatra tanteraka sy amin’ny fomba ofisialy amin’izay ny tetikasa « Miray hina Ary Mifankatia », na MIAMI, rehefa voafantina ny orinasa hiandraikitra ny fitantanana azy. Efa hiroso amin’ny fanaovana sivana ny fitondram-panjakana ato ho ato.

Mamaramparana ny asa

Efa nisy fotoana maromaro nanokafana tao anatin’ny andro voafetra ny MIAMI ao Toamasina, mba hotsidihin’ny besinimaro. Karazana andrana ara-teknika ihany izy ireny, satria mbola tsy tena vita tanteraka ity fotodrafitrasa lehibe ity. Eo andalam-pamaranana ny asa amin’izao fotoana izao, ao anatin’ny tetikasa MIAMI, ka ny famitana ny « Villages Kiosquse » handraisana ireo mpivarotra 321 isa avy amin’ny « bar sachet » teo aloha, izay efa nahazo fiofanana, no imasoana amin’izao fotoana izao. Miisa 262 ireo « Villages Kiosquse » ireo. Mbola mitohy ihany koa ny famaranana ny asa eny amin’ny « esplanade ». Ny 31 janoary izao kosa no daty farany handraisana ny antontan-taratasin’ireo orinasa vonona hitantana ny MIAMI. Hiroso amin’ny fanaovana sivana ireo orinasa namaly ny antso fahalinana ny fitondram-panjakana, aorian’izay.

Fotodrafitrasa mateza

Tanjona ny hampateza sy hampaharitra ity tetikasa ity, hoy ny fanazavan-dRtoa Ravoavinorosoa Léa, Sekretera jeneraly eo anivon’ny sekreteram-panjakana misahana ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana (SENVH). Izany no antony hametrahana tomponandraikitra manokana hitantanana azy. Asa hiandraiketan’izay orinasa voafantina eo ny fitantana ny MIAMI amin’ny ankapobeny, ny fandaminana, ny fahazahoana mampiasana azy, ny fandraisana ny vola sy ny fikojakojana ny fotodrafitrasa. Ny filàn-kevitry ny Minisitra no hanapaka izay orinasa hitantana ny MIAMI ao Toamasina ary aorian’izay vao hisokatra maharitra amin’izay ity tetikasan’ny filoham-pirenena ity.

Lire la suite

Articles Similaires