• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Min San
Image
Vaovao

Areti-maso any Mahajanga : tonga ny fanafody ahafahana mitsabo olona 2.500 maimaim-poana

09/01/2024 14:13 © Moov.Mg

Tonga androany ireo kojakoja sy fanafody ho entina miady amin’ny firongatry ny areti-maso antsoina hoe : « migy », na « conjonctivite », any amin’ny Faritra Boeny. Andiany voalohany aloha ireto tonga ireto, haparitraka amin’ireo tobim-pahasalamana any an-toerana.

Mangidihidy sy mavaivay

Raha tsiahivina dia taorian’ny fetin’ny faran’ny taona teo no nanomboka nirongatra ity areti-maso « migy », na « conjonctivite bactérienne » ity, tany Mahajanga. Malaky mifindra amin’ny alalan’ny fifampikasohana izy ity, toy ny tanan’ny olona marary avy mikoso-maso ary tsy voasasa madio, nefa mandray tanan’olon-kafa, izay mikitika ny masony indray avy eo. Mangidihidy sy mavaivay no fiantombohany, raha ny fitantaran'ireo efa voa. Ilaina noho izany ny fanasana tanana matetika, na fanadiovana amin’ny « gel désinfectant ». Mila mitandrina ihany koa, mba tsy hikitikitika ny faritry ny maso. Ahena araka izay azo atao ny fifampikasohana amin'ny olona voany, mba hampijanona ilay rojom-pifindrany. Izany rahateo no antony nandraisana fanapahan-kevitra tsy andefasana mianatra ny ankizy tratran’ity areti-maso ity. Tena zava-dehibe ny fanatonana tobim-pahasalamana haingana, mba hahazoana ny fitsaboana sahaza.

5 andro dia sitrana

Haparitaka amin’ireo tobim-pahasalamana rehetra ao Mahajanga ireto fanafody sy kojakoja tonga androany ireto, izay marihina fa andiany voalohany. Hahafahana mandry an-tanana maimaim-poana marary manodidina ny 2.500 isa izy ireto, araka ny nambaran’ny ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka. Nisy olona sasany moa milaza ho sahirana, ka tsy manatona mpitsabo fa manao dokotera tena, amin'ny alalan'ny fanasana ny maso amin’ny savony gasy. Ankehitriny dia afaka misitraka fitsaboana tsy andoavam-bola ireo marary rehetra. Amin’ny ankapobeny dia dimy andro aorian'ny fitsaboana no mihasitrana ilay areti-maso, rehefa nanatona mpitsabo, ka nahazo fanafody ary nanaraka an-tsakany sy an-davany ny torohevitry ny dokotera.

Lire la suite

Articles Similaires