• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Miso Kely
Image
Vaovao

Oram-be tany Ikongo : Olona tsy latsaky ny 5 no namoy ny ainy

08/01/2024 12:41 © Moov.Mg

Mbola vao mainka mihamafy ny voina mahazo ny mponina any amin’ny distrikan’Ikongo, Faritra Fitovinany, araka ny nambaran’ny solombavambahoakan'i Madagasikara voafidy tao Ikongo, Razafitsiandraofa Jean Brunelle. Taorian’ny fandalovan’ny rivo-doza tany an-toerana dia namono olo na indray ny oram-be mivatravatra.

Faty olona, trano rava

Raha ny tatitra nataon’ny Birao Nasionaly misahana ny Fitantanana ny Loza sy ny Tandindondoza (BNGRC) dia toerana nahitana fiakaran’ny rano be ny faritra Fitovinany, vokatry ny fandalovan’ilay andro ratsy Alvaro. Isan’ny tena voadona mafy tamin’izany ny distrikan’Ikongo, ankoatra an’i Vohipeno sy Manakara. Raha ny tatitra ôfisialy navoakan’ny BNGRC ny 4 janoary lasa teo dia olona iray tamin’ireo 10 namoy ny ainy, vokatry ny andro ratsy Alvaro, no avy ao Ikongo. Olona tsy latsaky ny 5 kosa indray no namoy maty, vokatry ny rano be sy ny fihotsahan'ny tany nitranga omaly alahady 7 janoary 2024, hoy Razafitsiandraofa Jean Brunelle, solombavambahoakan'i Madagasikara voafidy tany an-toerana. Anisan'izany ny lehilahy iray lehiben'ny sampan-draharahan'ny hetra ao Ikongo. Lasan´ny rano izy, ka hita faty tsy lavitry ny tanàna. Renim-pianakaviana sy ny zanany telo ihany koa no maty nihotsaha’ny tany. Ankoatra izay dia toeram-ponenana maro no rava, feno tany mihotsaka ny lalana.

Tsy mety tafarina

Raha ny fahitan’ireo mponina ny zava-mitranga dia mbola mafy noho ny fahavoazana tamin’ny fandalovan’ny rivo-doza Batsirai ny zava-misy any Ikongo amin’izao fotoana izao. Raha tsiahivina, tamin’ny fandalovan’ity rivo-doza ity tamin’ny taona 2022, dia efa nananika ny 100 ny isan’ny olona namoy ny ainy manerana ny Nosy, araka ny tatitra ofisialy navoakan’ny BNGRC. Maherin’ny 70 isa tamin’ireo no tao amin’ny distrikan’Ikongo. Tsy rivo-doza anefa ity namely tany Ikongo omaly alahady ity, fa oram-be nivatravatra narahina rivotra be nifofofofo ary varatra nipoapoaka, raha ny fitantaran’ireo mponina. Mbola tsy tafarina tanteraka, tamin’ny rivo-doza nandalo tamin’ny roa taona lasa ny ao Ikongo, dia izao niharam-boina izao indray.

Lire la suite

Articles Similaires