• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Fintim-baovao : Ireo vaovao nisongadina ny 1 hatramin'ny 7 janoary 2024

07/01/2024 23:22 © Moov

Atolotra anao ireo vaovao nalaza tamin'ny herinandro voalohan'ny taona 2024, ny 1 hatramin'ny 7 janoary 2024.

Nilamina tamin'ny ankapobeny ny raharaha politika teto amin'ny firenena nandritra ny herinandro voalohany tamin'ity taona 2024 ity. Somary nangingina kosa ny teo amin'ny lafiny sosialy, ekonomika, fanatanjahantena sy koltoraly.

Rivodoza Alvaro # Olona 10 namoy ny ainy

Nanamarika ny taombaovao 2024 ny fidiran'ny rivodoza Alvaro an-tanety, tany amin'ny faritra Morombe. Rivotra mahery sy orambe no nentiny. Ny hariva sy ny alin'ny 1 janoary dia faritra mena ny tao Toliara, Manja, Morondava ary Morombe. Ny faritra Matsiatra ambony kosa dia faritra mavo, izany hoe nambanan'ny loza tanteraka. Araka ny tatitry ny BNGRC, miisa 10 ny aina nafoy.
Raha ny teto an-drenivohitra manokana dia ny orambe no tena nanamarika ny fandalovan'i Alvaro. Maromaro ireo faritra be mpivezivezy no efa ahitana fahasimban'ny lalana.

Mahazoarivo # Voatazona ny Praiminisitra Ntsay Christian

Ny alakamisy 4 janoary lasa teo no nanambarana tamin'ny fomba ofisialy ny anaran'ny praiminisitra vaovao. Araka ny lalàna dia ny antoko politika manana depiote maro an'isa eo anivon'ny Antenimierampirenena no manolotra anarana vitsivitsy mba hisafidianan'ny filoham-pirenena. Anarana 3 no natolotr'ireo depiote IRD araka izany. Rehefa nandinika tsara ny filoham-pirenena dia i Christian Ntsay ihany no nosafidiany. Efa nametrahany fitokisana ny lehilahy, sady mbola vonona rahateo hanohy ny asa fampandrosoana an'i Madagasikara.

Governemanta # Misy sivana hentitra ho an'ireo ho mpikambana

Governemanta "mifantoka amin'ny sosialy sady miady amin'ny kolikoly" no ho apetraka tsy ho ela. Ho entitra ny sivana, araka ny nambaran'ny filoham-pirenena Andry Rajoelina tamin'ny kabary nataony tamin'ny andro nanendrena ny praiminisitra. Azon'ny rehetra atao ny mametraka antontantaratasy eny amin'ny Lapan'i Mahazoarivo. Hisy sivana hentitra kosa nefa. Ireo voasivana dia handalo "test" hahafahana maka toky ny amin'ny fahaiza-manao, ny fahaiza-mitantatana sy ny fahalalana samihafa ilaina. Hanao fianianina ny minisitra rehetra fa hanompo ny vahoaka malagasy sady tsy hanao kolikoly mihitsy.

Ivato # Vato sarobidy saika ahondrana antsokosoko

Nahavita nanatsahatra fikasana hanondrana antsokosoko ny harem-pirenena indray ny ekipan'ny fadintseranana Malagasy. Milanja 56 kilao be izao ny vato sarobidy tra-tehaka teny amin'ny seranampiaramanidina Ivato. Malagasy miisa efatra sy teratany Sri Lankais iray no voasaringotra amin'ity raharaha ity. Nanao "fausse déclaration" ireto mpandeha ireto nikasana namoahana ireo vato sarobidy. Nolazaina fa vato tsotsotra ny entana, ka teo indrindra no nampiahiahy ireo mpisava.

Fitaterana # Mety hiakatra 800 ariary ny sarandalana

Tamin'ny volana aogositra 2023 no efa nikasan'ny mpitatitra eto Antananarivo Renivohitra ny fampiakarana sarandalana. Ny fitsinjovana ireo mpandeha no antony tsy nanatanterahana ny fanapahan-kevitra. Noho ny fiakaran'ny saran'ny fitsirihana ara-teknikan'ny fiara nefa dia tsy maintsy hiverenana hodinihina izany fampiakarana izany. Ny talata 9 janoary no hivory ny UCTU ka ho fantatra ny androtr'io na hiakatra na tsia ny sarandalana. Raha tsiahivina dia tamin'ny volana jolay 2022 no nampiakarana ny sarandalana ho 600 ariary, raha 500 ariary izany teo aloha.

Fifamoivozana # Miakatra ny vola aloha eny amin'ny foibe fitsarana fiara

Tsy vitsy ireo nitaraina tamin'ny tambazotran-tserasera fa niakatra avo roa heny ny vola aloha eny amin'ny foibe fitsarana fiarakodia. Voakasik'izany avokoa ny fiara rehetra, na ireo vao atao "réception technique" na atao "visite technique". Nanomboka ny 1 janoary lasa teo moa no nampiharana izany fiakarana izany. Tsy nisy fanazavana firy ny anton'izany fa toy ny vidim-piainana miakatra ihany. Hatreto aloha, tsy mampihemotra ireo mampiasa lalana hanantona ny fitsarana fiarakodia izany satria antontantaratasy tsy maintsy ananana ny fanamarinana fahazoan'ny fiara mandeha.

Fonja # 16 766 no voafonja nisitraka fanalefahan-tsazy

Anosan'ny andrasan'ny maro mandritra ny kabarin'ny filoham-pirenena ny "grâce présidentielle" ho an'ireo voafonja. Tamin'ny fiandohan'ny taona 2024, voafonja miisa 9 757 amin'ireo 16 766 manerana ny Nosy no nisitraka izany fanalefahan-tsazy, ka ny 2 766 tamin’ireo no afaka nivoaka ny toeram-pigadrana avy hatrany.
Tsy ireo voafonja rehetra nefa no afaka nahazo ny « grâce présidentielle ». Misy mantsy ireo heloka tsy ahazoana fanalefana-tsazy mihitsy, araka ny fanamarihana nataon’ny avy eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika.

Lire la suite

Articles Similaires