• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Faribolana Sandratra
Image
Vaovao

Literatiora : Mankalaza ny tsingerin-taona faha-35 niforonany ny Faribolana Sandratra

05/01/2024 16:06 © Moov.Mg

Tonga ao an-tsaina avy hatrany ny Faribolana Sandratra, raha vao miresaka ny tontolon’ny haisoratra sy ny tononkalo malagasy. Mankalaza ny tsingerin-taona faha-35 niforonany ity sehatra ikambanan’ireo Poeta sy Mpanoratra malagasy ity ankehitriny.

Manandratra ny literatiora Malagasy

Ny taona 1989 no niorina tamin’ny fomba ôfisialy ny Faribolana Sandratra, raha toa ka efa nanomboka niray faribolana ireo mpanoratra mpinamana maromaro, toa an’i Lydiary, Solofo José, A.R.Ni ary Elie Rajaonarison, tany amin’ny taona 1982. Niisa 9 ireo mpikambana tao anatiny tany am-piandohana, fa efa maherin'ny 400 kosa izy ireo ankehitriny, manerana an'i Madagasikara. Manana ny gazetiny manokana, antsoina hoe : « Ambioka » ny Faribolana Sandratra, manatontosa antsan-tononkalo matetika ary efa nanonta amboara iraisana maromaro, namoahana ireo asasoratry ny mpikambana ao aminy. Hatramin’ny niorenany dia boky iraisana sy seho aman-jatony no efa tontosa, ankoatra ny vela-kevitra sy fitetezana sekoly. Ny fanandratana ny literatiora Malagasy sy ny zakanto vita amin'ny teny moa no antom-pisian’ity sehatra ity.

Velakevitra sy seho

Ny alakamisy 11 janoary izao no hanamarihana amin’ny fomba ôfisialy ity tsingerin-taona faha-35 nijoroan’ny faribolana Sandratra ity. Velakevitra mahakasika ny tantaran'ny Faribolana Sandratra ary seho sy fanentanana maro samihafa no ho entina mankalaza izany, ao amin'ny Tranombokim-pirenena Anosy, manomboka amin'ny 2ora sy 30mn. Teny filamatra voizina ao anatin’ity fankalazana ity ny hoe : ''Sandra-kalo, zara fanahy''. Ankoatra ny lanonam-panokafana dia hisy ihany koa ny fanolorana mari-boninahitra ho an’ireo mpikambana mendrika, ary koa ny boky iraisan’ny mpiraifaribolana. Ankoatra izay dia hisy ny fampirantiana sy ny seho isan-karazany, any amin’ireo Faritra manerana ny Nosy misy ny sampan’ny Faribolana Sandratra.

Lire la suite

Articles Similaires