• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mino Rakotozandriny
Image
Vaovao

« Je cultive le minimalisme », nosoratan’i Mino Rakotozandriny : voasokajy ho « boky mitondra soa »

05/01/2024 11:19 © Moov.Mg

Isan’ireo nosokajian’ilay gazety boky ara-pahasalamana malaza « Santé Magazine », ho « boky mitondra soa » (les livres qui font du bien), ny boky mitondra ny lohateny hoe : « Je cultive le minimalisme ». Mino Rakotozandriny, tera-tany malagasy no nanoratra azy ary efa azo jifaina eto Madagasikara izy io.

Manala ny mihoatra

Tsy misy teny mahadika loatra ny hoe : « minimalisme » amin’ny teny malagasy, fa ny hoe : « vitsy no tsara » (« moins c’est mieux » na « less is more ») no nentin’i Mino Rakotozandriny mamaritra io voambolana io. Tamin’ny 9 novambra tamin’ny taon-dasa no nivoaka tany Frantsa ity boky mitondra ny lohateny hoe : « Je cultive le minimalisme » ity, raha toa ka efa namoaka boky hafa mitondra ny lohateny hoe : « Maman minimaliste » ny mpanoratra, tamin’ny taona 2017. Tanjony, tamin’ny famoahana izao boky izao, ny hanampy ny olona hanala izay rehetra mihoatra, mibahana, manelingelina sy tsy ilaina eo amin’ny fiainana. Tsy ny lafiny ara-materialy ihany no resahany ao anatin’ny bokiny, fa ny lafim-piainana manokana sy ny ara-pifandraisana aman’olona ihany koa.

Sempotra

Tsy nahafantatra ny atao hoe : « minimalisme » i Mino Rakotozandriny tany am-boalohany. Toy ny ankamaroan’ny olona, nividy izay noheveriny fa ilaina izy, indrindra rehefa niteraka ny zanany voalohany. Nahatsiaro tena ho sempotra anefa izy, tao anatin’ireo entana be dia be nangoniny, izay nisy tsy nilaina akory, araka ny fitantarany. Ny boky nosoratan’i Dominique Loreau, mitondra ny lohateny hoe : « L’art de la simplicité », no nanazava ny sainy, ka nanombohany nifantoka tany amin’ny « minimalisme ». Nikaroka tahirin-kevitra momba ity foto-pisainana ity i Mino Rakotozandriny, fa tsy nahita tamin’ny fiteny frantsay. Tapa-kevitra ny nanokatra ny bilaoginy izy : « mamanminimaliste.com », nizara ny traikefany tamin’ireo mpanaraka azy. Nanjary lasa boky moa izany taty aoriana.

Mifantoka amin’ny manan-danja

Maro no mieritreritra fa natao ho an’ny olona efa manana zavatra betsaka ny toe-tsaina « minimaliste ». Tsy izany anefa, fa miantefa amin’ny olona rehetra mihitsy ny torohevitra entin’ny « Je cultive le minimalisme », hoy i Mino Rakotozandriny. Mihazakazaka manangona foana ny fiarahamonina iainantsika ankehitriny, hoy izy : manangona fananana, manangona karazan-javatra atao, manangona fahombiazana, manangona vaovao… Afaka miaina finaritra kokoa anefa ny olombelona, raha mifantoka amin’izay zavatra manan-danja aminy. Izany no antony tokony hanesorana tsikelikely ireo tsy ilaina ao anatin’ny fiainana, hoy ny fijoroana vavolombelona nataony. Eo amin’ny lafiny ara-pifandraisana, ohatra, betsaka no manana namana maro, nefa indraindray, ny fianakaviana sy ny olona tia ny tena indray no adino. Rehefa miala daholo ireo mihoatra dia mihena ny fotoana handaminana sy hanadiovana, ary manana fotoana kokoa ho an’ireo olona tena tiana.

Mahafantatra ny tanjona

Ekena fa tsy mora ny manaisotra ireo nangonina rehetra teo amin’ny fiainana, tsy mora ilay mamoy fananana, saingy izao no torohevitr’i Mino Rakotozandriny : fantaro izay tena tianao sy tanjonao amin’ny fiainana, dia alao amin’ny fiainanao izay rehetra tsy mifanaraka amin’ireo. Efa betsaka ny nanjifa ity boky ity tany am-pitan-dranomasina, raha ny ako voaray hatreto. Efa azo jifaina, na hafarana manokana ao amin’ireo trano fivarotam-boky « Il Était Une Fois » sy « Lectures et loisirs » ihany koa ankehitriny ity boky nosoratan’i Mino Rakotozandriny ity, ho an’ny eto Madagasikara.

Lire la suite

Articles Similaires