• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Prm
Image
Vaovao

Fanendrena Praiminisitra : Tsy miala amin'i Ntsay Christian ny fahatokisan'i Andry Rajoelina

04/01/2024 21:07 © Moov.Mg

Mbola tafajanona eo amin’ny toeran’ny Praiminisitra hatrany i Christian, araka ny safidy nataon’ny filohan’ny Repoblika, Andry Rajoelina .

Anarana telo

Nivoaka androany, araka izany, ny anaran’ny Praiminisitra hitarika ny Governemanta voalohany ao anatin’ity fe-potoana faharoa iasan’i Andry Rajoelina ity. Tsy nisy ny fiovana, fa i Ntsay Christian hatrany, izay efa Praiminisitra hatramin’ny Governemanta voalohany tao anatin’ny fitondrana Rajoelina no niantefan’ny safidiny. Anarana 3 no natolotry ny Solombavambahoaka maro an’isa eny anivon’ny Antenimierampirenena, avy amin’ny vondrona IRD ny filoham-pirenena, taorian’ny fivoriana notanterahin’izy ireo omaly. Samy manana ny fahaiza-manaony izy 3 mianadahy mianaka ireo, hoy i AndryRajoelina, saingy « Tsy tia miovaova aho », hoy izy nanazava ny safidiny. Nambarany ihany koa fa efa mahafantatra ny fomba fiasany i Ntsay Chistian, za-draharaha, mahitsy sy tsy mivadi-pitokisana. Ny tena andrasana aminy, hoy ihany ny filoha, dia ny fanafainganana ny raharaham-panjakana sy ny ady amin’ny kolikoly eny anivon’ny andrim-panjakana, ny ministera isan-tokony sy ny sampan-draharaha rehetra.

Handalo fitsapana

Dingana manaraka hirosoana dieny rahampitso, ny fisafidianana izay ho Minisitra handrafitra ity Governemanta Ntsay vaovao ity. Nanipika i Andry Rajoelina fa ho hentitra ny fanatanterahana izany, fa kosa, manao antso avo amin’ireo rehetra izay vonona hanompo firenena sy mahatsapa tena fa manana traikefa izy, mba hametraka ny antonta-taratasiny eo anivon’ny Primatiora eny Mahazoarivo sy hanatitra ny dika mitovy amin’izany eny anivon’ny fiadidiana ny Repoblika eny Ambohitsirohitra. Hisy ny fanadihadiana hatao ary handalo fitsapam-pahaizana ireo « kandida » ho Minisitra, mba hahafantarana raha ho voafehiny izay ministera hosahaniny. Hisy sampan-draharaha manokana hisahana izany. Izay voatendry ho Minisitra kosa dia hanao fianianana fa hiasa am-pahamarinana, tsy hanao kolikoly, ary hanao sonia eo anatrehan’ny vahoaka Malagasy fa hametra-pialana, na ho esorina avy hatrany, raha tsy mahatanteraka ny asany.

Ady amin’ny kolikoly

Naverimberin’ny filoha Andry Rajoelina matetika mihitsy, nandritra ny fanambarana nataony io alina io, ny ady amin’ny kolikoly. Hofaizina araka ny lalàna velona, hoy izy, izay minisitra tratra manao izany, tsy asiana indrafo ary tsy asiana kinamanamana. Araka ny efa ambetin-teniny hatramin’izay ihany koa, fa nohamafisiny androny, dia hafainganina ny fampandrosoana. Antony voalazany fa nisafidianany an’i Ntsay Christian ho praiminisitra rahateo, ny fahafehezany ny fampandehanan-draharaha. « Mino aho, hoy i Andry Rajoelina, fa hametraka fomba fiasa vaovao (i Ntsay Christian), ho hentitra sy tsy handefitra amin’ireo sakana ho an’ny fampandrosoana, satria mila vokatra haingana ny vahoaka ».

Heverina, araka izany, fa hivoaka tsy ho ela ihany koa ny anaran’ireo Minisitra ho mpikamban’ny Governemanta vaovao, hanatanteraka ireo vinan’asan’ny filoham-pirenena.


Copyright Image : © PRM

Lire la suite

Articles Similaires