• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov.Mg
Image
Vaovao

Fitaterana Antananarivo Renivohitra : Mety hiakatra ho 800 Ar ny saran-dalana

04/01/2024 17:07 © Moov.Mg

Raha efa nikasa ny hampiakatra ny saran-dalana ireo taksibe mivondrona eo anivon'ny Fiombonan’ ny kaoperativa mpitatitra an-tanàn-dehibe (UCTU), ny 1 aogositra 2023, dia tsy tanteraka izany. Ankehitriny dia mikasa ny hampiakatra izany saran-dalana izany indray izy ireo.

Fitsirihana ara-teknika

Hanatanteraka fivoriam-be ny UCTU amin’ny talata 9 janoary ho avy izao. Mandritra izany no handraisana ny fanapahan-kevitra hampiakatra ny saran-dalana ho 800 Ar, na tsia, hoy ny filohan'ny UCTU, Lova Randrianatoandro. Raha ny nambaran’ireo mpitatitra dia ny fiakaran'ny saran'ny fitsirihana ara-teknikan’ny fiara, eo anivon'ny "direction générale de la sécurité routière" (DGSR), no anton’izao fikasana hampiakatra ny saran-dalana izao. Mbola tsy hevitra tapaka aloha izany hatreto, fa izay kosa no efa sarany naroson’ireo mpitatitra, manoloana izany fiakaran'ny saran'ny fitsirihana ara-teknika izany.

Miferin’aina ny mpanjifa

Raha tsiahivina dia ny 12 jolay 2022 no nisy fampiakarana saran-dalana farany teo amin’ireo zotram-pitaterana eto Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina, ka 500 Ar izy tamin’izany no nisondrotra ho 600 Ar. Ny fiakaran’ny vidin-tsolika no anton’ny fampiakarana saran-dalana tamin’izany. Tamin’ny volana aogositra 2023 no nisy ilay fikasana hampiakatra ny saran-dalana ho 800 Ar, ka ny fiakaran’ny vidin’ireo kojakoja momba ny fiara sy ny haratsian-dalana ary ny fidangan’ny vidim-piainana ankapobeny indray, tamin’izany, no antony nolazain’izy ireo. Tsy ireo mpitatitra rehetra anefa no niombon-kevitra tamin’ity fanondrotana saran-dalana tamin’ny taon-dasa ity, hany ka tsy tanteraka izany. Andrasana izany izay ho fanapahan-kevitr’ireo mpitatitra amin’ny herinandro ho avy io, fa raha ny hita ao anaty tambajotran-tserasera aloha dia efa maro sahady ireo mpanjifa miferin’aina.

Lire la suite

Articles Similaires