• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov.Mg
Image
Vaovao

Maitso ahitra any Atsimo Atsinanana : Ny voankazo ampalibe no ataon’ny olona foto-tsakafo

04/01/2024 16:02 © Moov.Mg

Rehefa miandoha tahaka izao ny taona dia efa miomana amin’ny sakave ny mponina any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana, fa izany no fiantso ny vanim-potoanan’ny mosary, na ny maitso ahitra any an-toerana. Taorian’ny fandalovan’ny rivo-doza nisesisesy tany an-toerana dia niakatra avo be ny tahan’ny tsifanjariantsakafo mahazo ny zaza latsaky ny 5 taona any amin’ireo Distrika maro, toa an’i Farafangana, Vondrozo, Vangaindrano sy Befotaka Atsimo.

Tsy sakafo feno

Araka ny tombana dia efa mihoatra ny 50% ny tahan’ny tsifanjariantsakafo mitarazoka any amin’ny Faritra Atsimo Atsinana. Ny volana febroary hatramin’ny volana aprily no tena mafy ny sakave, any an-toerana, saingy hatramin’ny taona 2022, nandalovan’ny rivo-doza roa, Batsiraï sy Emnati tany, dia lasa saika ho mandavan-taona no miady amin’ny hanoanana ny mponina. Ny voankazo ampalibe no ataon’ny olona foto-tsakafo, hoy ny Goverinoran’ny Faritra, ny Dr Mahafaky Justin, rehefa tonga ny maitso ahitra. Andrahoin’ireo mponina miaraka amin’ny rano sy sira io voankazo io, dia izay ! Tsy sakafo feno anefa ny ampalibe, satria tsy ampy lipida sy prôtida, hoy hatrany ny fanazavany. Noho izany, dia mila ampianarina ihany koa ny mponina mba hahay hikarakara sakafo feno, amin’ny alalan’ny vokatra misy any an-toerana.

Asa velon-tena

Indraindray aza anefa, tena tsy mahita hohanina ny mponina, na dia ampalibe aza. Nisy tamin’ireo mponina tao amin’ny kaominina iadidiany, ohatra, no voatery nihinana zava-maniry tsy fihinana, toy ny veoveo sy ny ringiritry, araka ny fitantaran’i Deba Zaka Raymond, Ben’ny tanànan’ny kaominina Andoharano, distrikan’i Vondrozo. Fa na misy koa aza ny vokatra miakatra sy amidy eny an-tsena, dia tsy manana vola hividianana ny olona, raha ny nambaran’ny Dr Mahafaky Justin. Araka izany, nanentana ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola izy, mba hiompana kokoa amin’ny fanofanana ny olona amin’ny asa velon-tena, mba hampidi-bola ho azy ireo. Ankoatra izay, araka ny heviny, dia tokony amafisina ny fampianarana ny olona amin’ny fahaizana mikarakara ny sakafo. Mila tolo-tanana ny Faritra Atsimo Atsinanana, mba hiadiana amin’ny tsifanjariantsakafo any an-toerana.

Lire la suite

Articles Similaires